Antomotra tahaka ny oron-tsaka ? Efa eto an-toerana ary hihazo ny fambolen-kazo any Ilaka Est, ny filoha Rajoelina Andry, anio, rehefa avy niatrika fivoriana an-tampony tany Dakar. Handray fanapahan-kevitra tsy ho ela, amin’ny ho avin’ny governemanta ny tenany. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa hiroso amin’ny fanovana ny governemanta ny filoha amin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Tsy ho haitraitra
Hisokatra anio amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo eto Madagasikara. Hitarika izany any Ilaka Est, distrikan’i Vatomandry ny filoham-pirenena, hotronin’ireo mpikambana amin’ny governemanta sy ny andrimpanjakana maro isan-karazany. Hazo marobe no voalaza fa hatsatoka amin’ity anio ity. Tanjona ny haha fitaratra ny ezaka ataon’ny fitondrana amin’ny adidy atao amin’ny tanindrazana sy […]
Nanana olana ara-bola: raim-pianakaviana maty nananton-tena
Nentin’ny fahadisoam-panantenana tafahoatra, niafara tamin’ny famoizam-po ny raim-pianakaviana iray nitady fanampiana tamin’ny havany saingy tsy nisy niraharaha tao Sambava, omaly. Maty nananton-tena tao amin’ny fokontany Ampandrozonana, distrikan’i Sambava ny raim-pianakaviana iray, omaly maraina. Nanana olana ara-bola izy ary niezaka nitady vahaolana tamin’izany. Very hevitra anefa ny lehilahy rehefa tsy nahita […]
Fidorohana zava-mahadomelona : naiditra am-ponja kaomisera divizionera
Naiditra am-ponja vonjimaika omaly, ilay kaomisera divizionera iray tra-tehaka nitsindrona rongony mahery vaika niaraka tamin’ny namany iray tetsy By-pass. Naharitra adim-pamataranandro maro ny fanadihadiana nataon’ny teo anivon’ny mpitsara natao famotorana « juge d’instruction » ilay kaomisera divisionera voasaringotra amin’ny fidorohana rongony mahery vaika tetsy Anosy omaly. Nandalo teo anatrehan’ny fampanoavana ny alakamisy […]
Milaza ho manana tany mirehitra: lehilahy iray nisoloky 20 tapitrisa Ar
Naiditra am-ponja vonjimaika ny alarobia teo ilay mpisoloky olona tao Soanierana Ivongo. Milaza ho manana tany mirehitra ity lehilahy 50 taona ity ary lazainy ho lafo vidy izany. Manan-danja, hoy izy, io tany io sady tsy fahita firy. Tsy vitan’ny mahay mampiresaka fa mitondra vonga-tany anaty harona mihitsy izy nentiny […]




