Saron’ny polisy avy ao amin’ny boriboritany fahatelo (CSP3) Antaninandro teny amin’ny fokontany Ambatomaro, omaly tamin’ny 1 ora sy 30 mn maraina ny jiolahy iray. Nahatrarana entana vitsivitsy mampiahiahy tany aminy tamin’io fotoana vao maraina io raha nifanena tamin’ireo polisy manao fisafoana amin’iny fokontany iny izy. Niroso tamin’ny fisavana azy ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Jiolahy avy nandroba : nitsoaka niafina tany amin’ny fofom-badiny
Mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana momba ilay fanafihana mitam-piadina tao Manakasikely-Manjakandriana herinandro vitsy lasa izay. Ny talata hariva teo, voasambotry ny polisy ireo telo lahy voatondro ho nandray anjara mivantana tamin’ilay fanafihana mahery vaika. Nandritra izay, nanoro ny namany iray nitondra ilay basy nanaovan-dratsy ireto jiolahy. Araka izany, […]
Ambohimangakely: jiolahy sarona niaraka tamin’ny entana halatra
Noraisim-potsiny teny amin’ny sisin-dalan’ny RN2 ny jiolahy mpamaky trano iray tetsy Ikianja, Ambohimangakely, ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma. Teo am-piandrasana ny fiara haka azy, tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray niaraka tamina entana maromaro tetsy amin’ ny fokontany Ikianja, omaly maraina. Sendra nanao fisafoana amin’ny alina ny zandary izay […]
Fiarahamonim-pirenena : miantso ny fanohanan’ireo malala-tanana…
“Efa niomana sy vonona ho amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana izahay. Anaovana antso avo anefa ireo malala-tanana mba hanohana eo amin’ny fitaovana sy ny vola, ahafahanay manatanteraka izany”, hoy ny eo anivon’ireo fiarahamonim-pirenena, tamin’ ny alalan-dRalantosoa Florence, omaly, tetsy Ampefiloha. Nambaran’izy ireo fa nanao ny ezaka ny Ceni tamin’ny […]
Filoha voalohan’ny fitsarana tampony: “Tsy handroso sy hilamina isika raha tsy tan-dalàna…”
Notanterahina, omaly, tetsy Anosy ny fitsarana manetriketrika, nanamarihana ny fiafaran’ny taom-pitsarana 2022 ary nanokafana ny taom-pitsarana 2023. Noraisina tamin’izany koa ny fianianan’ ny filohan’ny fitsarana fandravana sy nametrahana azy amin’ ny toerany. Nambaran’ny filoha voalohan’ny fitsarana tampony, Rakotonavalona Ranary tamin’izany fa mametraka ny lalàna ho ambony izany fanjakana tan-dalàna izany […]




