Auteur/autrice : Adnews

Nanome toky ny fanjakana: azo antoka ny Paracétamol eto amintsika

Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny fitaleavana miandraikitra ny fanafody “Agence du Mé­dicament de Madagascar”, mahakasika ny vaovao tsy marina miely momba ny fanafody Paracétamol tonga eto amintsika. Mandalo fanaraha-maso sy fitiliana avokoa ny fanafody rehetra miditra eto Ma­dagasikara izay vao mivelatra eny amin’ny fivarotam-panafody, raha ny tatitry ny […]

Covid-19: misy fanaovam- baksiny eny amin’ny perception principale

Niantomboka tamin’ity vo­lana janoary ity ny fanaovam-baksiny Covid-19 eny amin’ny perception principal telo eto Antananarivo. An­isan’izany ny eny Ambo­di­tsiry, Mahazoarivo ary Ma­ha­masina. Tanjona ny fanamorana ny fanaovam-baksiny ireo zokiolona tonga maka fisotroan-dronono amin’ireny to­e­rana ireny. Tsy voatery manatona CSB intsony fa efa manakaiky azy ireo ny fanaovam-baksiny mba tsy hisian’ny […]

Noho ny toetr’andro : mihena ny mpitsidika ny Musée de la photo

Iray amin’ireo toerana manana ny lanjany eo amin’ ny firaiketana ny tantaram-pirenena ny Musée de la photo, eny Anjohy. Nahitana fihenany anefa ny isan’ny mpitsidika eny an-toerana, noho ny faharatsian’ny toetr’andro. Nanomboka tany amin’ny fiandohan’ny taona 2023, nahatratra 75 isan’andro ny mitsidika ireo tahirin-tsary mirakitra tantara eny an-toerana. Vao nanomboka […]

IFM Analakely : hiavaka ny hetsika “Taom-baovao”

Notanterahina teny amin’ ny Institut Français de Ma­dagascar na IFM Analakely, ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny talata 25 janoary 2023, niresahana ma­ha­kasika ny hetsika “Taom-baovao”. Hetsika hifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao sy hifampirarina ny soa sy ny tsara ho an’ny fianakaviamben’ny IFM. Eo ihany koa ny hanaovana tatitry […]