Ny isavorovoroan-kilantoana tokoa… Nanomboka tamin’ny disadisa sy ny fifanoheran-kevitra ny fivoriamben’ireo mpikambana tao amin’ny Omda. Niafara tamin’ny fifidianana izay neken’ny rehetra ihany anefa izany. Voafidy ireo hisolo tena ny mpikambana eo anivon’ny Filankevi-pitantanan’ny Omda. Fito ireo nilatsaka teo amin’ny sokajy mozika, ka lany tamin’izany i Jaojoby, Zoky Vonjy, Tonton Pà […]
Auteur/autrice : Adnews
Torkia sy Madagasikara : mihamafy ny fiaraha-miasa
“Vonona ry zareo amin’ny fiaraha-miasa na eo amin’ny fampianarana, fambolena, na indostria… Eo koa ny fanamafisana ny fifanakalozana eo amin’ny fizahantany, ananan-dry zareo traikefa amin’ny lafiny fitaterana ana habakabaka”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, momba ny fihaonana sy ny fifampidinihan’ny delegasiona parlemantera avy any Torkia sy ny loholona teny […]
Fiatrehana fifidianana: tsy misy lalàna mifehy ny mialoha ny fampielezan-kevitra
“Tsy misy ny famaritana ny hoe vanim-potoana mialoha ny fifidianana. Tsy misy lalàna momba an’izay. Raha ny marina, tokony hitranga mandavantaona ny fihetsiketsehana politika rehetra mialoha ny fotoam-pifidianana”, hoy ny fanazavan’ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, ny amin’ny vanim-potoana mialoha ny tena fampielezan-kevitra izay efa misy manao hetsika politika […]
Minisiteran’ny Raharaham-bahiny: nodinihina ny hahazoan’ireo Diaspora mifidy
Tsy ho very zo fa efa an-dalam-pikarohana vahaolana ny fanjakana. Nanaovana atrikasa manokana, tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE), Anosy, omaly ny fomba ahazoan’ireo teratany malagasy miasa sy monina any ivelany, mandray anjara feno amin’ny fifidianana sy ny hisitrahan’izy ireo izany zo izany. Nitarika izany ny eo anivon’ny MAE ary iarahana […]
Governoran’i Bongolava : “Tsy izaho no nanala ny préfet”
“Tsy izaho no nanala azy, fa hevitry ny vahoaka niaraka tamin’ny ben’ny Tanàna ary nandalo ny filankevitry ny minisitra dia nesorina ny préfet”, hoy ny governoran’i Bongolava, ny Jly Ramiaramanana Joseph. Fanehoan-keviny momba ny hetsika an-dalambe sy filanjana sora-baventy ary kabary nataon’ny sasantsasany amin’ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry ary ny […]




