Manoloana ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto Madagasikara. Mandray ny andraikiny ny eo anivon’ny Tafika Malagasy sy ny zandary amin’ny fanampiana ireo mpiray tanindrazana, toy izay efa fanao isaky ny misy rivodoza na ranobe miakatra. Tafiditra ao anatin’ny action civilo-militaire ataon’ireo miaramila, mba hanakaikezana hatrany ny vahoaka izany. Vokatry ny ora-mikija, […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanondranan’olona antsokosoko: olona valo naiditra am-ponja
Ravan’ny zandarimariam-pirenena ao Nosy Be ireo andian’olona saika hiondrana antsokosoko atsy Mayotte. Mbola misy ireo karohina sy voasaringotra amin’ity raharaha ity. Miandry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja avokoa ireo olona valo voasambotry ny zandarimaria tao Nosy Be raha saika hiondrana antsokosoko atsy Mayotte. Voasambotra ny 14 janoary teo izy ireo […]
Fambolena ala FJKM 2023: zanakazo 10.000 fototra ho an’ny tany mirefy 5 ha
Nanatanteraka fambolen-kazo ny foibe FJKM ny asabotsy teo. Notanterahina teny Andanona Manjakandriana ny fanokafana izany taom-pambolen-kazo izany. Taona faharoa ity 2023 ity nanaovana izao asa izao. Zanakazo 10.000 fototra no novolena tamin’ny tany 5 ha. Ny MFEE-FJKM no niandraikitra ny lafiny teknika sy niantoka ireo zanakazo. Nahitana karazan-kazo telo samy […]
Analamanga : hitohy ny orana miatoato
Mbola hitohy ao anatin’ny hateloana ny rotsak’orana miatoato sy ny andro manjombona eto Analamanga mandritra ny hateloana. Any amin’ny faritra Melaky ny sisan-drahona nentin’ilay rivodoza Cheneso mitarika ny rotsak’orana saika manerana ny Nosy ankoatra ny any Atsimo Andrefana, hoy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Mitoetra noho izany […]
Tatitra- BNGRC : olona telo maty lasan’ny rano
Olona telo maty lasan’ny rano nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto amin’ny Nosy. Tao amin’ny faritra Analanjirofo sy Sava izy ireo, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny BNGRC, omaly. Nahatratra 14 ny olona tsy hita popoka lasan’ny rano tao anatin’ny faritra miisa valo ka anisan’izany teto Analamanga. Fito amin’ireo […]




