“Anjara andraikitra goavana andrasan’ny firenena amin’ny Foloalindahy amin’ ny fitandroana ny filaminana sy fanajana ny lalàm-panorenana amin’ny maha taona miavaka ity taona 2023 ity , noho izy taom-pifidianana”: hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), omaly, teny Ampahibe, nandritra ny fiarahabana tratry ny taona vaovao 2023. Nohamafisiny fa manana andraikitra lehibe […]
Auteur/autrice : Adnews
Halatr’omby : dahalo matin’ny fokonolona
Tratran’ny fokonolona ny dahalo iray nikasa hangalatr’omby tao amin’ny fokontany Fierena, kaominina Antambohobe, ny alin’ny voalohan’ ny taona teo. Teo am-pamoahana omby miisa enina ana tokantrano iray ity jiolahy ity no hitan’ny fokonolona ka raikitra ny fifanenjehana. Nanohitra sy niezaka ny handositra ity dahalo ka voatery namono azy ny fokonolona, […]
Fitsarana mitety vohitra : mangataka fampitaovana sy vola ny SMM
Miroso hatrany ny fitsarana mitety vohitra. Misedra olana eo am-panatanterahana izany anefa ireo mpitsara, amin’izao fotoana izao. Tsy afaka ny hangina. “Aleo mba jerena akaiky ilay izy, satria misy ny mpitsara sahirana ihany amin’ny fandehanana amin’ ireny toerana mitoka-monina ireny. Efa niteny hatrany izahay hoe tsy sakana”, hoy ny fanehoan-kevitry […]
Fanadinana CEPE : hisokatra ny 23 janoary ny fisoratana anarana
Hiverina an-dakilasy ny alatsinainy ho avy izao, hanohy ny taom-pianarana anatin’ny roa volana fahatelo, ny mpianatra amin’ny ambaratonga telo eto Madagasikara. Hifarana ny 24 febroary izany izay ialohavan’ny Andron’ny sekoly, ny 22 ka hatramin’ny 24 febroary. Mitsahatra ny fampianarana ny 25 febroary ka hatramin’ny 5 marsa. Miatrika ny roa volana […]
Covid-19: namono olona roa tanatin’ny herinandro
Mbola misy olona 67 mararin’ny Covid-19 eto Madagasikara, raha ny salanisa navoakan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny alatsinainy teo. Olona roa no namoy ny ainy ary olona roa hafa mbola marary mafy miady amin’ny fahafatesana. Tao anatin’ny herinandron’ny 24 ka hatramin’ny 30 desambra dia olona 15 vaovao no nahitana ny tsimokaretina coronavirus. […]




