Auteur/autrice : Adnews

Fifaninanam-paritra: hifantenana izay handrafitra ny Barea U-20

Ho fanomanana ny fandraisantsika anjara amin’ny fifaninanana « Cosafa U20- 2023 », hisy ny fifaninanana rezionaly U19 ho an’ireo faritra 22. Izany dia atao hitiliana ireo Barea kely sy mba hamerenana indray ny amboaram-paritra eto Madagasikara. Ho fiatrehan’i Ma­da­ga­si­kara ny «Cosafa  2023», ho an’ny sokajy zandriny U20, hisy ny fifaninanana amboaram-paritra, ho […]

Miss University Africa: efa mandeha ny fifaninanana

Ny volana novambra 2022, no efa nanomboka ny fifaninanana tao amin’ny tambajotra sosialy. Tamin’ny alalan’ny fanohanana amin’ny sarin’ny mpifaninana no nisehoan’izany fifaninanana izany. Mandray anjara amin’ny “Miss Univer­sity Africa” i Madagasikara. Misolo tena ny mpianatra avy amin’ny oniversite eto Madagasikara, amin’izao fifaninanana izao i Andriamoria Harikanto Morgane. Izy izay voafidy […]

Sarimihetsika malagasy: hiverina indray ny “Malok’ila”

Hafaliana no nandraisan’ny mpankafy ity horonantsary ity ny fanambarana nataon’ny orinasa mpamokatra azy, tamin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra manao hoe “Malok’ila, le grand retour”. Ny talata 3 janoary 2023 no namoahan’ny trano mpamokatra ny fanehoan-kevitra ofisialy, na dia efa nisy aza ny siosion-dresaka nialoha izay. Horonantsary isan’ny nahaliana ny Mala­gasy izy ity […]

Boky : hivoaka ny « Toe-tsaina mpandraharaha »

Hivoaka tsy ho ela ny boky «  Toe-tsaina mpandraharaha » nosora­tan’Andria­no­­menjanahary Fameno An­tenaina na Nel Cael. Boky 80 pejy, hanentanana ny tanora hiroso amin’ny famoronana asa. Maneho momba ny toe-tsain’ny mpandraharaha ma­homby. “Hamoha sy hanaitra ilay mpandraharaha ao anatin’ny tsirairay mba hahay hamorona asa sy handraharaha eto amin’ny firenena ary hambolena […]