Efa nivoaka ny tetiandro fandraisana ny fisotroan-drononon’ireo zokiolona misitraka izany ho amin’ity volana janoary ity.Voakasiky ny tetiandro ireo mandray eny amin’ny Perceptions Principales, ny Trésorerie Municipale d’Antananarivo (TMA) ny Trésorerie ministérielle chargée de la fonction publique (TMINFOP) ary ny trésorerie principale inter-communale (TPIC). Hanomboka handray ny vola fisotroan-drononony ireo zokiolona […]
Auteur/autrice : Adnews
Campus ao Barikadimy : hanomboka anio ny fanamboarana
Ny 22 desambra lasa teo ny fanambarana avy tamin’ny “service des œuvres” eo anivon’ny oniversiten’i Barikadimy, Toamasina fa tokony hiala ny trano misy azy ireo mpianatra rehetra tsy ankanavaka fa hisy fanamboarana sy fanarenana ireo fotodrafitrasa toy ny trano fonenana misy fahasimbana noho ny fahanterana sy vokatry ny fandorana nataon’ny mpianatra mitokona. […]
Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena: mitokona ny sendikan’ny mpiasan’ny DRH
Hitokona mandritra ny fotoana tsy voafetra ny mpiasa ao amin’ny fitaleavana ny fikirakirana ny lafiny maha olona (DRH), eo anivon’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Tsy mankasitraka ny fanalana ny taleny izy ireo. Nanomboka omaly, mitokona mandritry ny fotoana tsy voafetra ny mpiasa ao amin’ny fitaleavana misahana ny fikirakirana ny lafiny maha olona […]
Kitra vehivavy : hifandona i Seychelles sy ny AC Sab-Nam
Ho fanomanan’ny AC Sab-Nam, ny “Play-off” amin’ ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena taranja baolina kitra vehivavy, hisy lalao iraisam-pirenena, hatrehin’izy ireo. Hifandona amin’ny «Rovers Mont-Fleury FC» avy atsy Seychelles, izy ireo, ny zoma 6 janoary ho avy izao, eny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium. Manana ny toerany ity ekipan’i Seychelles […]
Fanatanjahantena 2023: laharam-pahamehana ny lalaon’ny Nosy
Hisongadina ho an’ity taona 2023 ity ny fampiantranoan’i Madagasikara ny andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023). Fihaonana hotanterahina ny 23 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra ho avy izao. Taranja miisa 14 no hifaninanana amin’izany, ka saika io aloha ny tena maha maika ny rehetra. Ankoatra izay, misy ihany koa […]




