Efa ho herintaona amin’io taona vaovao io ny Groupe Mahatsangy, nitsangana ny janoary 2022 lasa teo, tarihin’i Sarobidy Stella.Vondrona ahitana ankizy, tanora miisa 60 amin’izao fotoana izao. Tsy tantara an’onjampeo ihany, araka izany, ny voizin’izy ireo fa tena efa ekipa matanjaka manana talenta maro toy ny mpaka sary, mpikabary, manjaitra, […]
Auteur/autrice : Adnews
Judo-“tournoi pour les malvoyants”: nihaona tamin’i Sensei Akira Kai i Nampoina
Hotanterahina rahampitso ao amin’ny Kodokan any Japon, ilay “tournoi pour les malvoyants”, amin’ny taranja Judo. Manana solontena miatrika izany isika, amin’ny alalan’i Nampoina Daniel, izay efa any an-toerana. Raha ny vaovao voaray, nihaona tamin’i Sensei Akira Kai ity judokas malagasy ity, izay nitondra hery lehibe sy risi-po ho azy, amin’ny […]
Toetr’andro : hitohy ny erika eto Antananarivo
Mbola mandrafitra ny toetry ny andro ho an’ny anio sy rahampitso eto Antananarivo, ny vokatry ny varatraza mitondra erika madinika manify toy ny volon’andro ririnina ho an’ny ilany atsinanana rehetra ny tapany maraina, araka ny fanazavan’ny teknisianin’ny Meteo. Hahazo orana tandrifin-drahona kosa ny ilany andrefan’Antananarivo anio hariva. Rahampitso maraina, hahazo […]
Fitakiana : manohana ny “normaliens” ny Seces Tana kanefa…
« Ekena ny zo hanao fitokonana nefa izany tsy tokony hanohintohina ny fampandehanana ny asam-bahoaka sy ny tombontsoa fototry ny firenena ary ny fepetra hafa ampiasaina io zo io, sady feran’ny lalàna », hoy ny fanambaran’ny mpikambana amin’ny biraon’ny Seces, sampana Antananarivo, omaly. Manohana ny fitakian’ny « normaliens » ny zo sy hasin’izy ireo […]
Sekolim-pinoana ao anatin’ny FFKM: marary ka mila fansitranana ny sehatry ny fanabeazana
Miray feo ireo sekolim-pinoana ao amin’ny sehatry ny FFKM fa marary ny sehatry ny fanabeazana. Anisan’izany ny tsy fahatomombanana. Mitondra soso-kevitra koa anefa izy ireo, manoloana izany. Nanatanteraka atrikasa tetsy amin’ny Kolejy teolojika Ivato, hanarenana ny sehatry ny fanabeazana ny sampan’asa fanabeazana ao anatin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM), […]




