Auteur/autrice : Adnews

Karate – “Afrika 2022” : Samy miziriziry i Emile sy i Solofo

Niara-nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny delegasiona malagasy taranja karate mi­isa roa, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, omaly. Samy nitondra ny fanazavana mahakasika ny zava-nitranga tany Durban ny andaniny sy ankilany. Nanamafy Ratefinanahary Emile fa izy no efa neken’ny UFAK sy ny WKF ho filoha mpitantana ny federasion’ny karate-do […]

Lalaon’ny CJSOI 2022 : «Tsy misy laharana ka tsy laharam-pahamehana», hoy i Tinoka Roberto

Mbola niteraka resabe, teo amin’ny rehetra, omaly, ny tsy fandraisana anjaran’i Madagasikara, tamin’ny lalaon’ny CJSOI 2022, mizotra ao Maorisy, amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny minisitra Tinoka Roberto fa tsy laharam-pahamehana izany. Nahoraka teny anivon’ny tambajotran-tserasera, ny mahakasika ny tsy fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny lalaon’ny vaomieran’ny tanora sy ny fanatanjahantena eto anivon’ny […]

Tontolon’ny hatsikana: isan’ny hiatrika ny « Prix RFI Talents de rire 2022 » i Sombiniaina

Nivoaka ny zoma 2 de­sambra 2022 ny lisitry ny mpandray anjara hiatrika ny “Prix RFI Talents de rire 2022” andiany faha-8. Voa­fidy ho isan’ny mpifaninana 10, hiatrika izany i Sombi­niaina na Ranarivelo Som­biniaina, mpanao hatsikana malagasy. Fifaninanana ho an’ny mpanao hatsikana mo­nina aty amin’ny faritra Afri­ka, miteny frantsay sy ny […]

Foiben’ny arsivam-pirenena : horesahina ny mpitsidika ny mozea

Anisan’ny fiovana lehibe amin’ny fomba fiasan’ny foiben’ny Arsivam-pirenena eny Tsaralalana ny fanatanterahana tsy miato ny «Atri­kasa 2022». Lohahe­vitra sy mpandaha-teny maro no efa nifandimby nanatontosa iza­ny. Ho an’ny 9 desambra izao, hifantoka amin’ny «Ny mpitsidika ny mozea sy ny asa fikajiana ny vakoka» ny velakevitra hoentin-dRaza­findramboa Marie Hortense, mpitahiry vakoka. […]