Auteur/autrice : Adnews

Andron’ny indostria aty Afrika: « Tsy misy indostria mandeha raha tsy ampy ny angovo … » 

Toy ny fanao isan-taona, nankalazaina omaly ny An­dron’ny indostria aty Afrika, notarihin’ny minisitera misahana ny fampiroboroboana ny indostria, varotra sy fanjifana (Micc) niaraka tamin’ny Onudi, sampan-draharahan’ny Firenena mikambana mom­ba ny fampandrosoana ny indostria. Eto Madaga­sikara, natao ny fankalazana nifampizarana vaovao momba ny indostria sy fampirisihina ny rehetra. Nitodika tamin’ny tomponandraikitra […]

Herinaratra : andrasana ny tetikasa Volobe II Toamasina

Anisan’ny nandray anjara nandritra ny hetsika ara-toekarena faritra Atsinanana (1-3 desambra) sy ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny angovo (23-25 oktobra) teo ny tetikasa Volobe II. Efa nanaovan’ny governora Rafidison Richard Théodore, antso avo, nandritra ny fanokafana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny angovo, ny tokony hanomezana ny fahazoan-dalana hiasan’ny tetikasa ataon’ny […]

Fandaharanasa: produir Nijery ifotony ny asa ny Banky Iraisam-pirenena

Anisan’ny notsidihin-dRtoa Victoria Kwakwa, filoha lefitry ny Banky Iraisam-pirenena, misahana ny ilany andrefana sy atsimon’Afrika, ireo tetikasa vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Isan’izany ny Fandaharanasa fampandrosoana ny tanàn-dehibe sy ny fiatrehana ny voina eto Antananarivo (Produir). Notsidihin-dRtoa Victo­ria Kwakwa, ny asa fanarenana ny fefilo­han’Ikopa sy Sisaony, ny 5 desambra teo. Mizara […]

Tsy hofoanana aloha hatreto : hotanterahina ny 20 jona 2023 ny CEPE

Hatao ny talata 20 jona 2023 ny fanadinana CEPE. Ho­tanterahana ny alatsinainy 3 jolay 2023 ka hatramin’ny alakamisy 6 jolay 2023 kosa ny fanadinana BEPC, araka ny didim-panjakana laharana 32731/2022/MEN navoakan’ ny minisiteran’ny Fanabe­azam-pirenena ny 5 desambra lasa teo izay mifehy ny tetiandro hanatanterahana sy fisokafana ary fikatonan’ny fisoratana anarana […]

Fiakaran’ny hafanan’ny tany : manana sehatrasa efatra ny Orange Madagascar

Marihina isaky ny 8 desambra ny Andro maneran-tany momba ny toetr’andro. Olana lehibe sedrain’ny firenena rehetra ny voka-dratsin’ ny fiovan’ny toetr’andro, indrindra ny fiakaran’ny hafanan’ny tany vokatry ny fisi­an’ny entona mangeja hafanana be loatra manimba ny sosona ozona. “Efa manana sampanasa efatra ny orinasam-pifandraisana Orange iadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro indrindra […]