Auteur/autrice : Adnews

Manahirana, manalasala

Manahirana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Mbetika namako, mbetika fahavaloko. Ny tena zava-doza, maty fanahy ilay Malagasy manao politika. Simba amin’ny kajikajy maloto ilay soatoavina sy fomba fanaovana politika. Na ny mpinamana mihinana ny manta sy ny masaka aza tena mifamorika rehefa tena ilaina ny misara-dalana. Mandefona ivoho izany efa […]

Fivondronamben’ny eveka: “Hampiadilahy politika ny resaka fanabeazana”

“Maniry dia maniry ny hanavaozana ny fampianarana ny Fivondronamben’ny eveka, ary efa tara aza ny fanavaozana ny fampianarana eto Madagasikara. Ny angatahinay ary tokony hahaolon-kendry antsika rehetra dia ny hahay mandingana ny adilahy politika hampiady antsika amin’­ny resaka fanabeazana”. Io ny fanambaran’ny filohan’ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara, ny evekan’ny diosezin’i […]

Fikaonandoham-pirenena: hanomboka amin’ity herinandro ity ny dinika eny ifotony

Miroso hatrany ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena. Araka ny fandaharam-potoan’ny FFKM, hanomboka amin’ity herinandro ity ny dinika eny ifotony. Araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny FFKM (Fiombonan’ny fiangonana kristiana eto Madagasikara) tamin’ny fampafahantarana ny fikaonandoham-pirenena teny amin’ny Village Voara Andohata­penaka, fantatra fa amin’ity herinandro ity no hanomboka ny dinika eny ifotony. Efa omaly […]

Tselatra

Rangahy iray niboridana, no nosamborin’ny fokonolona ary natolotra ny mpitandro filaminana, omaly, tetsy Ankady Tavimena, kaominina Alasora. Voalaza fa miafina eo amin’ny toerana be fasana izy. Enjehiny avokoa ny ankizy mpianatra sy ny vehivavy mandalo eny an-toerana. Mitaintaina ireo olona ireo rehefa handalo eny satria mangina rahateo eny an-toerana. Niakatra […]

Ankadikely Ilafy Jiolahy valo nanafika

Ravan’ny mpitandro filaminana miasa ao Avaradrano ny fanafihan-jiolahy niseho tao amin’ny fokontany Antsapan­drano, kaominina Ankadikely Ilafy, distrika Avaradrano, ny marain’ny alatsinainy 14 septambra teo. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika, nisaron-tava, ireo mpanao ratsy, araka ny loharanom-baovao. Nosikirin’izy ireo ny varavaran’ny trano tao amin’ilay to­kantrano nokasainy hotafihina. Nanapoaka basy ireo jiolahy nentina […]