Auteur/autrice : Adnews

Fanohanana ny tanora: hiara-hiasa ny METFP sy ny Asmae

Notanterahina omaly ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana tek­nika sy ny fanofanana arakasa sy ny Association sœur Emma­nuelle (Asmae). Tanjona ny hanamafisana ny fanohanana ny tanora eo amin’ny sehatry ny fitarihana sy torolalana momba ny fianarana sy ny asa, ny fanofanana, ny fampive­larana ny fahaiza-manao ary ny fampidirana […]

Toetry ny andro: mety hahatratra 6°C ny maripana ny maraina

Varatraza antonony na matanjaka no handrafitra ny toetry ny andro ho an’ny afovoantany sy ny faritra atsinanan’ny Nosy. Harahina rivotra mafy izany anio sy rahampitso. Hihamalefaka miandalana izany manomboka ny alaka­misy mankany amin’ny faran’ ny herinandro. Misy ny fampitandremana noho ny haavon’ny alondrano sy ny hamafin’ny rivotra ho an’ny morontsiraka […]

Laza adina bakalorea 2027: handray anjara amin’ny famola­volana ny sekoly tsy miankina

Misokatra hatrany amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiantsehatra rehetra ny minisiteran’ ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hiantohana ny fanatanterahana sy ny fahombiazan’ireo fanatsarana hatao hiantohana ny kalitaon’ny fampianarana izany. “Hisokatra amin’ny vo­lana janoary 2027 ny fisoratana anarana ary hihatra amin’ny fanadinana bakalorea 2027 ny sokajy L, […]

Taratry ny kanto

Nisantarana ny « Antsa tononkalo mitety faritra » ny teny amin’ny Akany Avoko Faravohitra. Nitsi­dika ireo ankizy beazina ao, niantso tononkalo ary niresadresaka ireo poeta avy amin’ny Faribolana Sandratra, ny alahady teo. Nitondra fitaovam-pianarana ihany koa hanampiana ireo mpianatra. Hisokatra ny fiofanana « Tremplin madajazzcar 2026 ». Sady fisantarana sahady ny hetsika izy ity, […]

Filatex: nahazo jiro manazava ny Rovan’i Madagasikara

Mandray anjara amin’ny Andraikitry ny orinasa ho an’ny fiarahamonina ny vondrona Filatex. Notokanana ny 11 septambra teo ireo jiro manazava ny tokotanin’ny Rovan’i Madagasikara eny Manjakamiadana, notarihin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), Gascar Fenosoa. Nanatanteraka ny tetikasa ny orinasa Filatex, niaraka tamin’ny minisitera sy ny Antokondraharaha Or­mada. Mandeha […]