Efa maromaro ny faritra manana « Miss 2026 ». Hiakatra aty Antananarivo avokoa izy ireo, hiady ny anaram-boninahitra ka hisolo tena an’i Madagasikara any ivelany. Vaovao lehibe avy amin’ ny Comité Miss Madagascar na ny CMM. Hatao eto Antananarivo, ny 19 desambra, ny famaranana ny fifaninanana « Miss Madagascar 2026 ». Io izany ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Vaovao tambatra
Avo ny ambana mety hisian’ny afo, miloko volomboasary, ankehitriny, any amin’ny faritra Androy, Atsimo Andrefana, Melaky ary Menabe, araka ny vinavina nomen’ny minisiteran’ny Tontolo iainana. Ilaina mivonona ny rehetra amin’ny fandraisana fepetra mifandraika amin’izany. Somary ambonimbony kosa ny ambana, miloko mavo, any amin’ny ilany avaratra andrefana, afovoany atsimo, atsimo andrefana […]
Jirama: tonga ny kojakoja ho an’ny TAC 1
Tonga eto Madagasikara, ny alahady teo, ny kojakoja nafarana avy any ivelany hanarenana ny milina mpihary herinaratra TAC 1 eny Ambohimanambola. Novinavinaina ho efa omaly alatsinainy no vita ny fametrahana azy ireo ka hiverina amin’ ny laoniny ny tanjaka 15MW hatramin’ny 18 MW, mamatsy ny tambajotra RIA Antananarivo. Mandalo eto […]
Orinasa Star: manamafy ny indostria ny fambolena
Nampahafantatra bebe kokoa ny ezaka ataony hampandrosoana ny sehatry ny fambolena ny orinasa Star, nandritra ny Foara iraisam-pirenena FIA, natao ny 10-13 septambra teo, teny amin’ny CCI Ivato. Ankoatra ny vokatra Star mahazatra, naseho nandritra ity efatra andro ity koa ny vokatra vaovaon’ny orinasa. Nohamafisin’ny talen’ny Serasera, tamin’ny famelabelaran-kevitra nataony […]
Fantina sy fintina
Noraisin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsirohitra, omaly, ny mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny masoivohon’i Rosia eto Madagasikara, i Alexe Buriak. Fanamafisana fampivoarana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Rosia ny dinika nandritra ny fihaonana. Hisy ny fotoam-bavaka sy antsam-piderana ho firaisan-kina ho an’ny taninjanaka, ny 18 septambra […]





