Auteur/autrice : Adnews

Lalana RN 1Bis : amboarin’ ny Madagascar Oil ny tena ratsy

Nanomboka nivarotra solika menaka mavesatra any amin’ireo orinasa vaventy ny Va­kinankaratra ny Madagascar Oil S.A (Mosa), nanomboka ny volana aogositra 2022 teo. Mba tsy hampiato ny famatsiana ataony, miroso amin’ny fanarenana ny tena ratsy amin’ny lalam-pirenena RN 1Bis ity orinasa ity, mampitohy an’i Tsimororo sy Tsiroanoman­didy amin’izao fotoana firotsahan’ny orana […]

Tetikasa Ambatovy: nahazo ny « Label malagasy ny antsika »

Folo taona izao no namokatra nikela sy kobalta ny tetikasa Ambatovy. Namorona asa hatrany amin’ny 12 000 sy tombontsoa maro teto Madagasikara. Vokany, Sendikan’ny indostria eto Madagasikara, Sim, ny mari-pamantarana, “Label malagasy ny antsika” izy. Feno 10 taona amin’ity taona 2022 ity ny namokaran’ny orinasa tetikasa Ambatovy nikela sy kobalta […]

FID sy polisim-pirenena : arovana ny mpiasa manatanteraka ny fiahiana sosialy

Zava-dehibe amin’ny fa­natanterahana ny fandaharanasan’ny fanjakana malagasy sahanin’ny Fonds d’intervention pour le développement (Fid) sy ny minisitera. Anisan’ ny voakasika amin’izany ny fandriampahalemana mialoha, mandritra sy aorian’ny asa atao eny ifotony. Misy ny tetikasa momba ny fiahiana ara-tsosialy atao any amba­ni­vo­hitra sy eny amin’ny tanàn-dehibe manerana ny Nosy ka sedra […]

CUA-Iscam : Kilasy 44 hianatra teny frantsay maimaim-poana

Natomboka, omaly, tetsy amin’ny sekoly ambaratonga fototra Ankadifotsy II ny tetikasa fisantarana ny fampianarana teny frantsay maimaim-poana, ivelan’ny ora fiana­rana. Natao ho an’ny kilasy fahadimy eny amin’ny EPP eto anivon’ny tanànan’An­tananarivo Renivohitra izany. Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny CUA sy ny oniversite tsy mian­kina Iscam. Nosafidiana manokana ny teny frantsay […]