Auteur/autrice : Adnews

Profesora Robinson Annick: Virose ny aretina mahazo ny ankizy ankehitriny

Areti-mifindra mateti-pitranga amin’ny zazakely ny virose, izay azo avy amin’ny otrikaretina madinika antsoina hoe “virus”. Io aretina io no mirongatra ankehitriny, araka ny fanaza­van’ny profesora Robinson Annick. “Miditra eo amin’ ny orona ary manafika ny taovam-pisefoana ny «virus», mahatonga ny aretina virose mamely ireo zaza sy ankizy amin’izao fotoana”, hoy […]

Fanangonan-tsonian’ireo depiote : ahina ho saro-toerana ny minisitry ny Fitsarana sy ny Mponina

Voahozongozona. Naneho ny tsy fahafaliany ka raikitra ny fanangonan-tsonia eny Tsimbazaza. Nohitrikitri­hin’ ny depiote Raholdina Naivo, omaly, fa tsy ara-dalàna ny nanapahan’ny minisitry ny Fitsarana ny karaman’ireo mpirakidraharaha miisa 56 noho ny fitokonana nataon’izy ireo. Notsiahiviny fa tsy notapahina karama izany ireo sendika nitolona niaraka amin’ny depiote 73 teny amin’ny […]

Minisitry ny Atitany: “Tsy misy kajikajy politika ny kopia faobe”

Nitondra fanazavana ma­noloana ny feo miely ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin, omaly. Nazava ny nambarany, tetsy Mahamasina, afakomaly. “Adihevitra tsy tokony hipetraka ny fampifandraisana ny hetsika kopia faobe sy fanaovana karapanondro amin’ny kajikajy politika. Tsy tokony hirona amin’ny fanelezana vaovao tsy marina sy hevi-diso isika mba tsy hiteraka […]

Fanaovana tombana: nifampidinika momba ny fifidianana ny Sadc sy ny FFKM

Tsy azo ihodivirana koa ny fiangonana. Anisan’ny nihaona tamin’ny iraky ny Sadc ny eo anivon’ny birao foiben’ny FFKM. Natao teny Ambohimanoro izany, omaly ka voaresaka ny tombana sy ny fanomanana ary ny fikarakarana fifidianana. Anisan’ny votoatin’ny dinika ny fahitan’ny fiango­nana ny fanomanana ny fifidianana sy ny fikarakarana izany ary koa […]

Zaka tsara

Fanovana… andraikitra Na inona na inona ataon’ny mpitondra, tsy mety amin’ny mpanohitra avokoa. Izay no hoe asany? Mitsikera, mamaky bantsilana izay tsy mety… Mby aiza? Miara-dalana amin’izany ny fanomezana tolo-kevitra enti-manatsara zavatra, fa tsy sanatria mitsikera ho fanara­tsiana, na fanakorontanana, na fandravana, na fanakiviana… Fitsikerana tsy inona fa faha­vononana handray […]