Hotontosaina ny 4 hatramin’ny 11 desambra izao atsy amin’ny Nosy Maorisy ny CJSOI (Jeux de la Commission de la Jeunesse et des Sports de l’Océan Indien), 2022. Efa vonona tanteraka i Maorisy. Efatra andro tsy hanombohan’ny fifaninanana, mbola baraingo ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ity andiany faha-12 amin’ny CJSOI hatao any […]
Auteur/autrice : Adnews
CUA : Nohalefahana ny hetran-trano, tsy mandoa ny fiangonana sy sekoly
Nirovy tsy ara-potoana tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely ny eo anivon’ny filankevitra monisipaly, omaly. Anton’izany ny fangatahan’ny mpanatanteraka amin’ny hanalefahana ny hetra. Nodinihina nandritra izany ny fanitsiana ny fanapahana “Déliberation N°002-CUA/ CM/Délib.22” momba ny fanalefahana ny hetran’ny taona 2021 sy ny 2022 ho an’ireo mpandoa hetra rehetra manerana ny boriborintany […]
Voalohan-karena
Efa tena mivadika ny tany! Aiza ka volana novambra anaty fahavaratra no mampirongatra ny aretina gripa mahery miampy ny Covid-19. Mipetraka foana ny fanontaniana isaky ny mahita olona mitangorongorona: fa misy inona ao? Hay moa, toeram-pizahana fahasalamana feno olona milahatra, mitondra marary. Mahonena mahita ireo zazakely mitolona amin’ny aretin-tratra, kanefa […]
Nirefodrefotra ny basy: jiolahy roa voatifitra, tafaverina ny volabe
Nirefodrefotra ny basy teny Ambatomirahavavy, omaly atoandro. Lavon’ny zandarimaria ny jiolahy roa, nandroba vola mitentina 17 tapitrisa Ar. Atao hazalambo ireo namany. Nanakoako teny Ambatomirahavavy ny poa-basy, omaly. Nifanenjehana ireo mpandroba, nikasa ny haka ilay volabe t$anaty sakaosy. Niala maina anefa rehefa tonga ara-potoana ny zandary. Tafaverina ny vola. Taorian’ny […]
Tselatra
Zazavavikely efa-taona sy fito taona no voalaza fa voaolan’ny dadatoany, afakomaly, tao Ambohitrandrina-Bejofo, faritra Alaotra Mangoro. Simba tanteraka izy roa vavy raha fizahana nataon’ny mpitsabo, hoy ny loharanom-baovao iray. Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ao Ambohibary faritra Amoron’i Mania. Efa inefatra voatafika io tanàna io tao anatin’ny fotoana vitsy ka manao […]




