Tokantrano miisa 84 rava tanteraka raha 13 hafa kosa simba ny tafo. Omby sy biby fiompy anjatony maty, hazo fihinam-boa sy voly fanondrana fohitra tanteraka, toy ny letisia, jirofo. Ireo ny takaitran’ ny fandalovan’ny rambondanitra na tadio (tornade) ny sabotsy 31 janoary teo, tokony ho tamin’y 7 ora hariva ary […]
Auteur/autrice : Adnews
Toekarena malagasy : Dinika fanaingana ho fitadiavam-bahaolana
Notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny Pact (Port academy center Toamasina), Ambodimanga-Toamasina, ny atrikasa fakan-kevitra ho fitadiavam-bahaolana momba ny toekarena malagasy, ny zoma 29 janoary lasa teo. Nitarika izany ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina. Nandraisan’ireo sampandraharaham-panjakana mandrafitra ny faritra Atsinanana, ireo mpandraharaha, mpitantana […]
Farakely: Hanamarika ny 15 taona an-tsehatra
Toy ny vao omaly, kanefa efa lava dia lava ny lalan’i Farakely nandritra izay 15 taona izay. Noho ilay fifamatorana akaiky nisy teo aminy sy ny mpankafy no antony, ary mbola mihamafy izany amin’ izao. Antony nisafidianan’i Farakely ny hoe “Satria tiako ianareo…”, ho lohatenin’ny fampisehoana izay hotontosainy ny 1 […]
Tontolon’ny hira : Hivondrona ireo mpitendry zavamaneno
Nihaona omaly, tao amin’ny Ivokolo Analakely, ireo mpitendry zavamaneno. Nisongadina, tamin’izany, ny antso ho an’ny firaisankinan’ny mpitendry manerana an’i Madagasikara hivondrona ao anaty fikambanana « Mpitendry malagasy ofisialy » iray. Avy amin’io sehatra misokatra io no hitondrana ny feon’ny mpitendry. Hiaro ny zony, hanatsara ireo fepetra iasany. Hampiroborobo ihany koa ny tontolon’ny […]
INDRAY MIJERY
Nanao tombana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony mahakasika ny hetsika « Fosika » nandritra ny volana janoary. Fantatra fa nahatratra 37 ireo fitarainana voaray ka diplaoma sandoka ny 5 tamin’ireo, dimy hafa kolikoly ary tolotra fiofanana tsy ara-dalàna ny 2. Fandraisana mpiasa tsy ara-dalàna ny 5 ary herisetra ny 5 hafa. […]




