Mila fahamailoana foana ny aretina haromotana. Manao fanairana ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka fa aretina mahafaty raha tsy voasoroka haingana ny haromotana. Mifindra amin’ny olona amin’ny alalan’ny kaikitra na rangotra na lelaka amin’ny faritra maratra. Ao amin’ny roran’ny biby mafana ra no misy ilay virus. Misoko miadana ny aretina, arakaraka ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Rivodoza Fytia : 12 ny maty, 77 192 traboina
Nitombo ho 12 ny isan’ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fytia. Efa hita ilay olona lasan’ny rano tany Mahajanga II. Fito ny olona naratra, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC omaly hariva. 77 192 ireo traboina (tokantrano 18 561) ary 30 873 ny olona nafindra toerana (tokantrano 7 900) ka ny […]
Olana ara-tsakafo : Nanao antso fanampiana iraisam-pirenena ny fanjakana
Ho mafy kokoa ny krizy ao anatin’ny enim-bolana voalohany amin’ity taona ity ho an’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana satria ao anatin’ny fotoana maitsoahitra isika izao, hatramin’ny volana avrily. Nanomboka ny faran’ny taona 2024 ka hatramin’ny taona 2025, niharan’ny loza voajanahary nisesy ireo faritra ireo, nisedra haintany sy rivodoza niteraka […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny sabotsy ho avy izao, eny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, ny fihaonana eo amin’ny Elgeco Plus sy ny CFFA Andoharanofotsy. Fifanandrinana tafiditra anatin’ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, « Pureplay Football League (PFL) ». Tsiahivina fa manala vela amin’ity ny CFFA. Efa lavon’ ny Elgeco […]
Razanakoto Iaro : Hiditra amin’ny sehatry ny Formule 1
Hivoatra amin’ny sehatra hafa amin’ny fanamoriana fiarakodia Razanakoto Iaro. Raha ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, afakomaly, hiditra amin’ny Taranja Formule 1 (F1) ny tenany, ka ny niara Jaguar R1 no hoentin’ity Malagasy fanta-daza amin’ny tontolon’ny fiarakodia ity. Nahazo fanasana hanao andrana hifaninana amin’ity F1 ity, any Dubaï, ny tenany, […]




