Auteur/autrice : Adnews

Fiainam-pikambanana: isehoana disadisa ny Fitefato

Isehoana olana ny fikambanan’ny zanaka Toliara monina sy mipetraka eto Toamasina, (Fitefato) taorian’ny fahataperan’ny fotoam-pitantanan’ny filoha teo aloha. Tokony hifandimbiasan’ireo disitrika sy faritra efatra mandrafitra ny faritanin’ i Toliara, isaky ny roa taona ny fitantanana, araka ny fitsipika anatiny. Nisehoana fifanenjanana sy fifanaratsiana teny an-tambajotran-tserasera anefa ny filoha vaovao, avy […]

Fampandrosoana eny ifotony: hanohy ny asa efa natombony any Antalaha ny JCA

Nambaran’ny filohan’ny “Jeunes cadres d’Antalaha – JCA”, Nerapide Jaonary, fa anisan’ny laharam-pahamehan’izy ireo ny fanajariana ny tanànan’Antalaha ary tafiditra ao anatin’ny tetikasan’izy ireo izany. «Tsy natao ho an’ny fitondram-panjakana foibe ihany ny fampandrosoana fa andraikitra ifampizaran’ny rehetra. Antony nahatonga anay nanatanteraka ireo asa teo aloha ary mbola manohy izany amin’izao […]

Chine-Madagasikara: nohamafisina ny fiaraha-miasa

Nandray ny solontena avy amin’ireo oniversité efatra any Chine: Shanghai Normal University, Xiangtan University, Université des Beau Arts de Chine ary Beijing University, ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo, Randrianasolo Rivoarison. Teny Ankatso tamin’ity herinandro ity no nanatanterahina izany. Fivoriana mahakasika ny fiaraha-miasa akademika sy siantifika no tanjona ka hanamafy ny fifandraisana efa […]

Famongorana ny tazo aty Afrika: entanina hamatsy vola ny sehatra tsy miankina

Nampahafantarina tany Abidjan (Côte d’Ivoire), ny 12 hatramin’ny 13 mey lasa teo, ny fametrahana hetsika iray hampitomboana ny vola am­piasaina hamongorana ny aretina tazo aty Afrika. « Les voix essentielles » no anarana nomena ny hetsika hitadiavana vola hatramin’ny 4 tapitrisa dolara hatramin’ny taona 2030. Hiadiana amin’ny aretina tazo andraisan’ny vehivavy sy […]

Foibem-paritry ny Fampianarana ampitain-davitra: mpianatra 10 nanao fanohanan-kevitra tao Farafangana

Zava-dehibe ny fanatonana ny faritra satria manamaivana ny fandaniana ho an’ireo mpianatra sady maneho ohatra tsara sy fanentanana ho an’ireo efa miasa ka vonona hanohy fianarana na monina lavitry ny Renivohitra sy ny Renivohi-paritany aza. Fanohanan-kevitra (soutenance) miisa 10 hahazoana ny mari-pahaizana Master voalohany natao tao Farafangana, renivohitry ny faritra […]