Nanamarina ny minisiteran’ny Fahasalamana fa nisy tokoa ny faty olona tany Ampasinambo sy Ampasitsara. Mitotaly 37 ireo ankizy sy zaza namoy ny ainy vokatry ny aretina tazomoka sy ny kitrotro. 5 ny zaza maty tao amin’ny CSB II Ampasinambo, 14 no maty teny amin’ny fiarahamonina. Nahatratra 19, araka izany, ireo […]
Auteur/autrice : Adnews
Rivodoza 2026–2027 : Manamafy ny fahaiza-manao ny Meteo
Ho fiomanana sahady amin’ny vanim-potoan’ny rivodoza 2026-2027, manamafy ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ireo teknisianina ao aminy ny Foibe famantarana ny toetr’andro, ny herinandro lasa teo. Fiofanana sy fanavaozana ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina misehatra amin’ny fanaraha-maso, faminavinana ary famokarana ireo vaovao mahakasika ny rivodoza no notanterahina. Singa fototra ao anatin’ny rafitra fanairana […]
Tontolon’ny zaitra sy informatika : Namoaka ny andiany « Fanilo » ny WMG
Navoaka sy notolorana mari-pankasitrahana tetsy Andraharo, omaly, ireo 65 mianadahy nanaraka fiofanana mahakasika ny tontolon’ny zaitra sy ny informatika teo anivon’ny Wednesday Morning Group (WMG). Nampitondraina ny andiany « Fanilo » ireto tanora ireto. Notolorana mari-pankasitrahana, omaly, tetsy amin’ny foibe Yas Andraharo ireo 65 mianadahy nahavita fiofanana momba ny tontolon’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Misolo tena miaro ny voninahi-pirenena malagasy amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny sokajy zokiny, « vétérans », atsy Sarajevo, ny 20 hatramin’ny 24 septambra 2026, Randrianjohany Ivan, atleta avy amin’ny Diaspora malagasy Judo. Nihintsana teo amin’ny 1/16ndalana moa ity solontena malagasy ity. Hotontosaina any Fianarantsoa, ny 29 oktobra hatramin’ny 1 […]
Baolina kitra atsy Maurice : Lasa mpanazatra ny ASPL 2000 Rasoanaivo Titi
Nanomboka tamin’ny fanombohan’ny fifanintsanana afrikanina ho an’ireo ekipa tompondaka sy amboara, taranja baolina kitra, fantatra fa hanazatra ny ekipan’ny ASPL 2000 (Association sportive Port Louis) Maurice, Rasoanaivo Titi, eo amin’izany fifaninanana izany. Ekipa tompon’ny amboaran’i Maurice 2026 ary miatrika ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasionina ny ASPL 2000. Raha tsiahivina, anisan’ireo […]




