Auteur/autrice : Adnews

Tanora Masina Itaosy : Hanomboka ny taom-pitoriana an-kira

Raikitra fa hisy ny «Santa­tra Fiderana 2026». Hotante­rahina rahampitso ny taom-pitoriana 2026 ho an’ny Ta­nora Masina Itaosy. Ao amin’ny fiangonana FLM Ambohi­masina Itaosy ihany no hanatanterahina izany. Hanombo­ka amin’ny 2 ora sy sasany ny fandaharam-potoana. Nanome toky ity antoko mpihira ity fa « hafana avy hatrany ity santatra fitoriana an-kira » ity. […]

Mariboninahitry ny kanto : Nankasitrahana ny Sorakanto

Randy Donny sy Fy nahazo ny “Commandeur”. Faly Ran, Holy Danielle ary Zo ny Aina notolorana ny “Officier” ary i Joachin Mickaël sy Damy Govina nomena ny “Cheva­lier”. Mariboninahitry ny kanto, ny Teny ary ny Kolontsaina ireo, izay nomen’ny fitondram-panjakana ireo mpanao gazety mikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina, mivondrona ao amin’ny […]

Ligy Analamanga- Basikety : Vonona hiara-miasa amin’ny mpanao gazety

Manome lanja ny lafiny se­rasera ny ligin’Analamanga, ta­ranja basikety, tarihan-dRatovo­janahary Haingo Mampionona. Nisy, araka izany, ny dinika sy fiarahana nitady izay hahafahana mampandroso ny ligy, amin’ny alalan’ny haino vaky jery. Nifanankalo hevitra ny andaniny sy ankilany ary nisy ny hevitra maro nivoitra. Ny hampiakarana ny fahafantaran’ny olona ny hetsika karakarain’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitetina 45,4 miliara Ar ny famatsiam-bola nomen’ny Vondrona eoropeanina (UE) ho an’ny fandaharanasa Padeir, nandritra ny dimy taona. Tao anatin’izay, miisa 170 ireo orinasa niofana momba ny fanondranana raha matihanina 74 nanatsara ny fahaiza-manaony. Mpisehatra 644 nandalina momba ny fenitra sy ny kalitao, laboratoara telo nahazo fitaovana ary iray nahazo […]