Somary sadaikatra ihany hanao ny fifampizarana mahakasika ny fanaovana politika, ankehitriny. Mbola tsy nierina akory ny taona dia efa miseho sahady ny adin’ny samy goavana. Mahavariana ny don-tandroka amin’ny endriny samihafa. Baikoin’ny tombontsoan’ny tsirairay ka manadino ny tolona natao teny an-kianja, ho an’ny taninjanaka. Asa! Efa voaongana tokoa ve ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Ady amin’ny kolikoly : Natomboka ny fanatanterahana ny drafi-pirenena
Manomboka amin’ny fomba ofisialy hatry ny omaly, ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly 2025-2030. Nisy ny fivoriana mahakasika izany teny Mahazoarivo. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ ny Lapam-panjakana, Mahazoarivo, omaly, ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly 2025-2030. Nisantarana izany ny fivoriana voalohany nataon’ny komity mpitantana. Teo […]
TSELATRA
Handalo amin’ny distrika 38 anatin’ny faritra valo ny rivodoza Fytia, araka ny tombana voaray omaly. Heverina fa hahatratra 175 493 ny olona traboina (avy amin’ny tokantrano 40 812). Hahatratra 41 784 ireo trano dibo-drano, 6 168 ny trano sy ny foto-rafitrasa samba. 1 580 ny efitrano fianarana simba amin’ny ampahany, 176 ny […]
Taxi-be 141 tapaka hisatra : Ramatoa iray namoy ny ainy, efatra naratra mafy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Andravoahangy, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 4 ora latsaka fahefany. Niseho teo amin’ny lalana Hagamainty ny loza. Fiara mpitatitr’olona, zotra 141 iray, tapaka hisatra. Avy any Ambatomainty ary hihazo ny Rond point Hagamainty io fiara io. Niala ny arabe izy ka nifatratra sy nandona […]
Ambohipaly : Tovolahy 30 taona, hita faty
Tovolahy iray manodidina ny 30 taona hita faty tao Ambohipaly, kaominina Arivonimamo I, omaly folakandro tamin’ny 03 ora. Nahatsikaritra olona efa tsy nisy aina intsony sy nivalampatra tamin’ny tany ny olona sendra nandalo ka nampandre ny manodidina sy ny tomponandraikitra. Nampandrenesina mahakasika ny zava-misy ihany koa ny mpitandro filaminana any […]




