Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Tale jeneraly vaovao hitantana ny Fadin­tsera­nana malagasy, Randrianjafy Antoine. Mahafehy sy mahalala tsara ny lanjan’ny toekarena sy ny ladoany ny tenany. Tanjony ny hanamafisana ny fanavaozana ho maoderina kokoa ny fitantanana ny haban-tseranana, ny ady amin’ny hosoka sy ny trafika tsy ara-dalàna amin’ny fanondranana sy ny fanafarana entana, indrindra ny […]

Fampandrosoana ny toekarena : Mila henoina ny sehatra tsy miankina

Nifanakalo hevitra momba ny zava-misy sy nametraka ny vinan’ny toekarem-pirenena izay ahitana vesatra ara-ketra sy ny fitotongan’ny fitomboan’ny toekarena ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny sehatra tsy miankina, andro vitsy lasa. Mandalo fotoan-tsarotra sy manan-danja eo amin’ny tantaran’ny toekarena i Madagasikara amin’izao fotoana, na eo aza ny fitomboan’ny tahan’ny fanondra­nana, […]

Banky foiben’i Madagasikara: Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny FDS

Tontosa omaly, teny Antaninarenina, ny fanavaozam-piaraha-miasa eo amin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) sy ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS): ahitana ny Tafika, zandary ary polisy. Nanatrika izany ny governoran’ny Banky foibe, Andrianarivelo Aivo, ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika (Cema), ny Jly Pikulas Démosthène, ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (ComGN), ny Jly Mbina Mamelison […]

Ady amin’ny andiam-balala: Velaran-tany 600 000 ha harovana amin’ity taona ity

Natomboka ny 17 janoary teo, tany Toliara, ny hetsika hiadiana amin’ny andiam-balala ho an’ny taona 2025-2026. Faritra enina no hanaovana azy, hampiasana ny hetsika ana habakabaka sy an-tanety. Voafaritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny paikady fanovana (PGE-R) eto amin’ ny firenena. Tafiditra anatin’ izany ny fahaleovantena sy ny fiarovana […]

FANTINA sy FINTINA

Nesorina tamin’ny toerany ny Kly Rakotoma­monjy Patrick, tale misahana ny birao fandraisana fitarainana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana. Nota­pahan’ny filankevitry ny minisitra ny fanalana azy amin’ ny toerany. Tsiahivina fa anisan’ny nahalalana azy ireo horonantsary maromaro nifanesy nitsikera ny fitondrana Rajoelina. Nivoaka amin’ny fahanginany ny mpanorina ny RDS, Andrianirina Fetison. […]