Hamaritra ireo rojom-pihariana stratejika, hamakafaka ireo sakana ara-pamokarana ary hamolavola vahaolana azo tanterahina « ny Dinika ho fanaingana ny toekarena » any amin’ny faritra. Hetsika izay atao manomboka androany ka hatramin’ny 23 janoary, eny amin’ireo renivohi-paritany. Hifanakalo hevitra, mandritra ireo telo andro ireo, ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina, ny tantsaha, ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Bas Mangoky : An’arivony ny fitaovana nozaraina ho an’ny tantsaha
Mifantoka amin’ny famokarana manaja ny tontolo iainana ny tantsaha any amin’ny lemaka Bas Mangoky, mirefy 25 ha, faritra Atsimo Atsinanana. Hanatrarana izany, maro ny fitaovana sy masomboly nozaraina, tamin’ny alalan’ny tetikasa « Tefiala », tohanan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (GEF) sy ny FAO, ny 16 janoary teo. Nanamafy ny minisitry […]
Airtel : Mpiasa 24 nahomby tamin’ny asany
Miisa 24 ny mpiasan’ny orinasa Airtel Madagasikara nankasitrahina, ny zoma 16 janoary teo. Nomena ny mari-boninahitra « medaly volafotsy arakasa » ny 22, raha medaly alimo arakasa ny roa. Natao izany noho ny zava-bita sy ny fahavononana ary ny fandraisan’andraikitr’izy ireo tao amin’ny orinasa. Notsiahivin’ny mpitantanana foibe ny Airtel fa nitondra fampandrosoana […]
Tetikasa RRT/Smart Village : Hanafaingana ny fampandrosoana niomerika
Paikady mahomby hampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny niomerika. Tanjona ny hanapariahana azy hatrany ambanivohitra. Anisan’ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana ny hanitarana ny tetikasa Rural Rapid Transformation/ Smart Village, mikendry ny fisitrahan’ny tontolo ambanivohitra ny niomerika. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa nataon’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy […]
FANTINA sy FINTINA
Mampanahy sy mampatahotra ny fiainam-pirenena sy ny hoavin’ny fanaovana politika eto Madagasikara, raha ny zava-miseho. Io ny nambaran’ny lehiben’ny fanoherana sady filoha lefitra fahafiton’ny Antenimierampirenena, ny depiote Milavonjy Philobert, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny “Raharaha depiote Sahondrarimalala Marie Michelle”. Mampieritreritra raha toy izao ny fomba andraisana sy iampangana ny olona […]




