Auteur/autrice : Adnews

Mendri-piderana

  Migadra aloha ingahy bekintana iny. Migadra ihany koa ny tanan-kavanan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Any mandritra ny fotoana tsy mbola hay satria miandry datim-pitsarana sy fivoaran’ny raharaha politika. Fanohintohinana ny fiandrianan’ny fanjakana sy fampirisihana fanakorontanana moa no vesatra. Tsy maintsy misalotra ny sata gadra politika indray izy ireo. […]

Ambasadaoro Claire Pierangelo : “Hijery ny tombontsoan’i Madagasikara mandrakariva i Etazonia”

Tonga nanao veloma ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, ny ambasadaoron’i Etazonia niasa sy nonina teto Madagasikara, i Claire A. Pierangelo. Tsy nisy nipika ny resaky ny roa tonta. Na izany aza, nambarany tamin’ny mpanao gazety fa: “mbola hijanona ho […]