Auteur/autrice : Adnews

Tovolahy nalefa eny Antanimora: Nanindron’antsy ny namany akaiky

Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora rehefa nohainoin’ny fampanoavana ny alakamisy 8 janoary teo, ilay lehilahy nanindrona antsy ny namany teny Ambatoroka. Miverina eny anivon’ny fitsarana Anosy ny 12 febroary ho avy izao, ilay lehilahy namono nahafaty an’i Manampisoa, teny Amba­toroka, araka ny fanazavan’i Manohy izay zokin’ny maty. Nandalo teo anivon’ny […]

fandrindram-piterahana : Tsy voatery hifampierana

Araka ny voalazan’ny lalàna laharana faha-2017-043, toko faha-7 andininy faha-30 dia zo fototra ny zo eo amin’ny lafiny fahasalamana ara-pananahana. Voalaza ao anatin’izany fa afaka manapa-kevitra malalaka momba ny fotoana hiterahany ary misafidy ny isan’ny zaza haterany sy ny elanelam-piterahana tiany ny olona rehetra. Tsy mila fahazoan-dalana avy amin’ny vady […]

INDRAY MIJERY

13 ny olona namoy ny ainy vokatry ny orana nirotsaka tsy niato. Faritra efatra (kaominina 14 amin’ny distrika 13) no nitondra takaitra tamin’izany. Iray no maty tao Morondava sy iray hafa tany Betioky Atsimo no nahatonga ny antontanisa niakatra ho 13. Olona enina no naratra. 3 847 ny olona traboina (tokantrano […]

Minisitra Vololoniaina Lucie: Hisongadina ireo asa maika sy fanarenana

Tao anatin’ny roa volana niasan’ny minisitry ny Fizahan­tany sy ny asa tanana, Vololoniaina Lucie, efa nazava ny soritr’asa ary efa natomboka. Nisongadina ny fanarenana ny tanàna Miami ao Toamasina ho lasa toerana hahafahana misarika ireo mpizahantany izay ahitana ampahany amin’ny hakanton’i Madagasikara amin’ny lafiny rehetra. Nohatsaraina ny valan-javaboahary Tsimbazaza izay […]

Zon’ny vehivavy : Fikambanana efatra hitondra ny feo ho iray

Vehivavy mpitolona efatra, nitambatra hitondra feo iray ho an’ny zon’ny vehivavy no nampahafantatra ny fiforonan’ny hetsika lehibe iray iarahan’izy ireo mandritra ny herintaona. Hitondra vokatra mivaingana ho fiarovana ny vehivavy sy hampiharana ny lalàna hisitrahan’ireo niharan’ny herisetra izy ireo. Nitambatra ny vehivavy efatra samy efa manana ny fikambanana sy mpamorona […]