Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Nisy lehilahy iray tokony ho 25 taona, hita faty teo akaikin’ny fiandrasana bus Manambina Ambo­himan­gakely, omaly, tamin’ny 05 ora hariva. Tsy nahi­tana taratasy famantarana ny mombamomba azy teny aminy. Tsy misy mahalalala azy io ihany koa ny mponina eny an-toerana. Iangaviana araka izany, ny fianakaviany mba handeha hijery ny razana […]

Vondrona Sodiat : Nahatratra 25 ireo fiara nogiazan’ny fanjakana

Nahatratra 25 ireo fiaran’ ny vondrona Sodiat, nogiazan’ny fanjakana, raha ny tatitra ofisialy navoakan’izy ireo, omaly. Nalain’ny mpitandro filaminana nandritra ny fo­toam-pisavana teo anelane­lan’ny volana novambra sy desambra 2025 avokoa ireo rehetra ireo. Araka ny loharanom-baovao azon’izy ireo hatrany, tsy nogiazana ary tsy notahirizina, araka ny lalàna ny sasany tamin’ireo […]

Tsaramasay : Trano narodan’ny mpamonjy voina

Voatery narodan’ny sampana mpamonjy voina ny trano lehibe iray misy rihana tetsy Tsaramasay, boriboritany fahatelo, omaly. Nahitan’ny manodidina fahasimbana toy ny triatra sy efa antitra io trano lehibe io. Tokantrano maromaro miorina manodidina azy ka voatery nandray fepetra hisoro­hana ny voina tampoka ny tomponandraikitra. Nanangon-tsonia ireo mponina manodidina mba hanatanterahana […]

Tsy fitandreman’ny mpamily : Olona iray maty, 18 naratra mafy

Potika tanteraka ny fiara vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily, araka ny tatitry ny zandarimaria sy ny nanatri-maso. Tovovavy iray namoy ny ainy, olona 18 naratra nentina namonjy toeram-pitsaboana. Namoy ny ainy ny tovovavy iray tamin’ireo mpandeha am-polony tao anatin’ny taxi-borosy niharan-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra tao Man­garivotra, fokontany Mora­­fe­no, distrikan’Ankazobe, […]