Auteur/autrice : Adnews

Baolina kitra PFL : Lalao roa hahemotra amin’ny fotoana manaraka

Hiverina amin’ny faran’ny herinandro ho avy io, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, Pureplay Football League (PFL). Araka ny fanadihadiana natao omaly, hahemotra amin’ny fotoana mbola tsy voafaritra ny lalao roa izay tokony hatao amin’ny faran’ny herinandro ho avy io. Anisan’ izany ny fihaonana eo amin’ny FC […]

SOMBIM-BAOVAO

Nifarana hatreho ny fifanarahan’i Fabrice, malagasy lohalaharana baolina kitra, amin’ny klioba AS Excelsior atsy La Reunion, araka ny vaovao hita omaly, tany anaty tambajotran-tserasera. Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao tonga niatrika ny fihaonana ara-baolina kitra goavana tatsy Toamasina, izay natao ny 28 desambra farany teo, i Fabrice. Raha ny fikarohana natao […]

Jiu-jitsu Breziliana: Efa manomboka manomana ny “mondial” ny klioba

Fandaharam-potoana goavana anisan’ny miandry ny Jiu-jitsu Breziliana amin’ity taom-pikatrohana 2026 ity, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany hatao amin’ny volana novambra. Efa manomana izany ny klioba, toy ny Checkmat, araka ny nambaran’ny Coach Pay Rasamy. Manao fanazarantena intelo isan’andro ao amin’ny Dojo eny Antaninandro, ny mpikatroka handray anjara. Fifaninanana hatao any […]

Rugby – Sevens challenger series : Hidona voalohany amin’ ny Makis i Belgique

Hisantaran’ny Rugby malagasy ny taona 2026 ny fifaninanana iraisam-pirenena. Anisan’ireo firenena hiatrika ny “sevens challenger series”, lalaovina olona 7, lehilahy, ny Makis-n’i Madagasikara. Hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “circuits mondiaux”. Ao amin’ny vondrona “B” ny Malagasy, amin’izany. Hotanterahina ao amin’ny kianja Stadium Dubai, ny sabotsy 17 sy alahady 18 janoary […]

Vohemar : Vehivavy notsatohan-drafiny antsy

Naratra voatsatoka antsy ny vehivavy iray nandritra ny fifampikasihan-tanana teo aminy sy ny rafiny, tao Ambaton­drazaka, fokontany Antanamiketraka, any Antsirabe Avara­tra, distrikan’i Vohemar, ny 2 janoary teo. Nifamaly io vehivavy io sy ny vehivavy vadin’ny lehilahy iray. Samy sakaizan-drangahy izy roa vavy ireo ary samy niterahany iray avy. Tsy mifanalavitra […]