Maizina tanteraka ny tanànan’i Mandritsara noho ny fahataran’ny fahatongavan’ny solika hampiodinana ireo milina mpihary herinaratry ny Jirama. Ratsy ny lalana mampitohy an’Antsohihy sy Mandritsara taorian’ny ora nikija nandritra ny telo andro, vokany voatery tafajanona ao Ambodiadabo, 50 km tsy hidirana an’i Mandritsara ilay fiarabe mitondra solika. Mitotongana ny vola malagasy. […]
Auteur/autrice : Adnews
Lalam-pirenena fahenina (RN6): Mizotra am-pilaminana ny fitaterana
Miverina amin’ny laoniny ny fampitana fiara eo Ifasy, amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN6) taorian’ny fahasimban’ny “carénage” izay nidiran’ny rano ka niteraka tsy fahatomombanana tamin’ny fitaovana. Ity farany izay nampiato vonjimaika ny fitaterana, raha ny fampahafantarana nataon’ny minisiteran’ny Asa vaventy. Nivoitra tao anatin’izay fa vita ny alatsinainy teo ny asa hanamorana ny […]
Tsenan’ny vorona: Mivarotra fatiantoka ireo mpivarotra
Nangina tanteraka ny tsenan’ny akoho amam-borona nandritra ny fety, raha ny fanazavan’ireo mpivarotra eny Analamahitsy. “Matiantoka tanteraka izahay, nangina ny fety tamin’iny taona iny raha oharina ny tamin’ny taon-dasa”, hoy i Fara, mpivarotra akoho. Namidy 45 000Ar hoy izy ny vantotra akoho nandritra ny fety raha toa ka 25 000Ar […]
CTA2 Ambohimanambola : Miroso ny fanarenana, mitombo ny herinaratra ho an’Antananarivo
Miroso ny fanarenana sy ny asa fanamboarana ao amin’ny tobim-pamokarana herinaratra CTA2 an’ny Jirama, etsy Ambohimanambola. Vita tanteraka amin’izao ireo milina telo amin’ireo efatra ary efa miasa ara-dalàna avokoa raha mbola eo am-panamboarana kosa ny milina fahefatra, G2. Araka ny fanambarana nataon’ny Jirama, omaly, «tontosa soamantsara ny fanamboarana ireo milina […]
TSELATRA
13 isa ireo olona narary noho ny fihinana hani-masaka teny an-tsena, ao amin’ny kaominina Ampanefy, distrikan’Atsimondrano, hatramin’ny omaly. Nahitana zazavavy roa taona. Nihinana kompose teny an-tsena iray teo akaikin’ny fiangonana katolika izy ireo ny alahady lasa teo. Nanomboka narary omaly, samy narary kibo, nandoa sy nivalana avokoa. Nalefa eny amin’ny […]




