Izay aloha no vita! Nifarana afakomaly, ny dian’ny Coelacanthes Comores, amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, “Can 2025”, tanterahina atsy Maroc ity. Nisaraka ady sahala, 0 no ho 0, ny fihaonana teo aminy sy ny Aigle de Mali, nandritra ny andro faran’ny fifanintsanana isam-bondrona, “A”. Raha nahita […]
Auteur/autrice : Adnews
Basikety-Analamanga: hamerina ny firaisankinan’ny ligy sy seksionina ny filoha vaovao
Ny famerenana ny firaisankinan’ny ligy sy ireo seksionina mandrafitra azy no vina lehibe voalohany hapetraky ny filohan’ny ligin’Analamanga vaovao, Maître Ratovonjanahary Haingo Mampionona, amin’izao fandraisany ny fitantanana izao. Mialoha izay anefa, asa miandry ny fanaovana ny sata sy ny fitsipika anatiny mifehy ny ligin’Analamanga. Miankina amin’ny firaisankina no hanatrarana ny […]
Niady mivady: raim-pianakaviana maty teny amoron-dranomasina
Hita faty teo am-bodihazo iray, teny amoron-dranomasina ampitan’ny tetezana mankany amin’ny Hopitaly Be, ny alin’ny zoma 26 desambra hifoha ny sabotsy teo, ny raim-pianakaviana iray. Hita nitsitra efa tsy nisy aina intsony niaraka tamin’ny fitaovana mbola teny aminy izy. Mpanjono hafa handeha handriaka maraina no nahita ny vatana mangatsiakan’io lehilahy io […]
Fampanantenan’ny Kly Randrianirina M.: nandray tambim-pankasitrahana ny mpiasam-panjakana
Noho ny findangan’ny vidim-piainana, nanome tambim-pankasitrahana 310 000 Ar ny mpiasam-panjakana ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël. Efa nisy ny fizarana ny ilain’ny mponina andavandro mialoha an’io, tany atsimon’ny Nosy. Notanterahina avy hatrany! Nanomboka omaly ny fandraisan’ny mpiasam-panjakana ilay vola tambim-pankasitrahana avy amin’ ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, […]
Nendran-gidro: nahitana trangan’aretina dimy tany Mahajanga
Nahitana trangan’aretina nendran-gidro, (Mpox : Variole de singe), miisa dimy tany Mahajanga, omaly, raha ny fanambarana nataon’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka. Taorian’ny fitiliana ny tranga nataon’ny Laboratoire des analyses médicales de Madagascar (LA2M) sy ny Institut pasteur de Madagascar, ny 29 desambra 2025 lasa teo. Tao amin’ny fokontany Ambovoalanana, distrikan’i Mahajanga I, […]




