Ho fiatrehana ny faran’ny taona sy fitsenana ny taom-baovao 2026, nahatsiaro manokana ireo fianakaviana sahirana ao amin’ny kaominina Ivato ny ben’ny Tanàna ao an-toerana, Randrianarisoa Penjy. Fianakaviana miisa 850, avy amin’ny fokontany 13 (K1 hatramin’ny K7, Ivato Aéroport, Ilaivola, Ankadindravola, Tanambao, Mandrosoa, Ambodirano) no nizarana vatsy ho fiatrehan’izy ireo ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Fampianarana ambony: hisokatra ny oniversite manakaiky vahoaka ao Bongolava
Nanatanteraka fitsidihana tany Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, ny delegasionina avy amin’ny Oniversiten’ Antananarivo, notarihin’ny filoha, Pr. Randrianasolo Rivoarison, ny fiandohan’ity herinandro ity. Nandritra io fitsidihana io no nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny fisokafan’ny oniversite manakaiky vahoaka tantanin’ny Oniversiten’Antananarivo any amin’ny faritra Bongolava. Hifantohan’ny Oniversiten’Antananarivo ny fampandehanana ity oniversite vaovao hisokatra ity […]
Fetin’ny faran’ny taona: saika ivelan’ny Renivohitra ny hetsika
Amin’ny tonon-taona tahaka izao. Efa zary mahazatra ny Malagasy ny « manao fety ». Ny hira sy ny dihy no mahazo vahana kokoa amin’izany. Ho an’ity fanakatonana ny taona 2025 ity. Maro amin’ireo Malagasy mpanakanto no nisafidy ny hijanona eto an-toerana. Saika any amin’ireo efitrano malalaka na « Espace » ivelan’ny Renivohitra no hanatanteraka […]
Taona 2026: mila omen-danja ny fikoloana ny saina
Nanjary tsy mahataka-davitra intsony ny Malagasy. Tsy mahavita ny asany araka ny tokony ho izy ny saina. Miteniteny foana. Manaotao foana. Mihinankinam-poana, satria, ratsy kolokolo ny saina ka zara raha misy fahalalana ao aminy. Tsy mahavita mandinika sy mamakafaka intsony, hany ka manao rapa-dango sy telimoka izay hitan’ny maso, ren’ny […]
Miandry ny gasy
Hivalona tanteraka anio ny taona 2025. Taona izay nisehoan’ny fahagagana tanteraka raha ho an’ny Malagasy. Nahitana izany ny tontolon’ny politika. Iza tokoa no nanampo fa noraofin’ity taona ity ny fahefan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, sy ny praiminisitra Ntsay Christian. Tena tsy nampino mihitsy ny zava-niseho tanatin’ny fotoana fohy. Nitsimbadika […]




