Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Mikasa ny hitondra fanitsiana maromaro amin’ny tetibolam-panjakana ny depiote. Efa ao anatin’ny asam-baomiera izany izao ka anisan’ny hojerena ny momba ny fotodrafitrasa, ny fanohanana sosialy, ny hampiakarana ny tetibolan’ny minisitera. Eo koa ny tambin-karaman’ireo mpiasam-panjakana sy ny vatsim-pianarana ary ny vondrom-bahoakam-paritra. Nanambara ny depiote Rafidimanana Desiré (TMH) fa ho eo […]

Ady any Ukraine : Misy fiantraikany amin’ny kaontinanta afrikanina

Mitarazoka ny ady ifanaovan’i Rosia sy Ukraine. Ani­san’ny mahatonga izany ny finiavan’ny mpitondra any amin’ity firenena farany ity hampitarazoka ny ady. Miteraka voka-dratsy ho an’ny firenena maro aty Afrika izany, toy ny lafiny toekarena, ny filaminana ara-tsakafo, ny resaka jeopolitika. Fositra mahatonga izany ny fifikiran’ny mpitondra okrainianina amin’ny toerany. Ny […]

Mila fitoniana

  Hanao ahoana ihany ny ho fizotran’ny raharaham-pirenena amin’izao? Indrindra ny amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana sy ny fiainana amim-pitoniana… Tsy hoe tsy fisian’ny asan-jiolahy ihany izay, fa eo indrindra koa ny fitonian-tsaina amam-panahy andavanandro. Hanao ahoana ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena? Eo ny hoe miainga any ifotony eny anivon’ny fokontany. Toy […]

Tolo-kevitra amin’ny fikaonandoha : Mitaky ny fizakan-tenan’ireo faritra 24 ny MMM

Nitohy tany amin’ny faritra Diana indray ny fikaonandoham-paritry ny antoko Malagasy miara-miainga, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra soso-kevitra maromaro hoentina amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo, tamin’izany. Nambaran’ny birao politika, i Volahaingo Marie Thérèse, fa hanolo-kevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo aorian’izao fidinana ifotony eny anivon’ny faritra izao. Nandray ireo soso-kevitra avy amin’ny […]

ALSA : Mivondrona hampandroso ny ligy tsirairay

Nampahafantarina ofisialy  ny herinandro teo,   teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina,  ny fitsanganan’ny fikambanana Alsa (Alliance des ligues sportives d’Analamanga). Fikambanana hivondronan’ireo ligy amin’ny taranja misy eto Analamanga,  izay tafatsangana ny volana avrily lasa teo. Tanjona amin’ny nananganana azy  ny hifanampiana amin’ny fampandrosoana ny ligy tsirairay. Ani­san’izany, ohatra, ny eo […]