Auteur/autrice : Adnews

Sandratra Atsinanana: nanome sehatra ireo mpianatra

Nanamarika koa ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra ny tany Brickaville, ny alarobia lasa teo. Nandray ny hetsika ny CEG Brickaville, ka nifarimbona tamin’izany ireo mpianatra, mpampianatra ary ny Sampana Faribolana Sandratra Atsinanana. Nano­me sehatra bebe kokoa ireo mpianatra ireo poeta sy mpanoratra, nahafahan’izy ireo niantsa […]

Tontolon’ny dihy: maniry hiatrika seho iraisam-pirenena i Bboy Fabio

Anisan’ny Malagasy mpandihy, manana ny lazany eto Madagasikara, i Tovonirina Thierry Fabio na i Bboy Fabio. Efa nahazo indroa misesy ny fifanintsanana teto Madagasikara ny lehilahy ary maniry ny hifaninana amin’ireo mpandihy iraisam-pirenena. Tovolahy 28 taona, efa manana ny toerany eo amin’ny sehatry ny dihy, indrindra ny Break Dance, i […]

Fahaiza-manao niomerika: nihaona ny METFP sy ny mpitantana ny Gip Pix

Nihaona tamin’ny tale jeneralin’ny Gip Pix, Benjamin Marteau, ny delegasionin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Andriamampandry Todisoa Manampy, tamin’ity herinandro ity, tao Paris, Frantsa. Nifantoka tamin’ny fahazoana mari-pahaizana niomerika ekena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fampifanarahana amin’ny fenitra, “Cadre de déférence des compétences numériques sy digitale compétence framework” […]

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo: vehivavy 103 notolorana mari-pankasitrahana

Notolorana mari-pankasitrahana momba ny fambolena an-tanàn-dehibe tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, afakomaly, ireo vehivavy miisa 103. Avy amin’ny fokontany valo eto Antananarivo izy ireo. Nisy ny avy eny Am­bodimita, Ambodihady, Ando­hanimandroseza, Ankazo­man­ga Avaratra, Antetezana Afovoany, Ampefiloha Ambo­dirano, Ampangabe Anjana­kifolo ary Amboditsiry. Fam­piofanana nokarakarain’ny ONG Gret, tamin’ny alalan’ny tetikasa Aintsoa izy […]

Fanabeazana momba ny Alzheimer: niofana ho lasa mpampiofana ny zokiolona miisa 20

Miara-dia ny fikambanana Madagascar alzheimer Masoandro Mody sy ny Firaisamben’ny zokiolona eto Madagasikara (Fizoma). Tanjona ny hampivelatra haingana ny fahafantaran’ny fiarahamonina ny momba ny alzheimer sy ny aretina toa azy. Nisy, noho izany, ny fiofanana ho an’ny mpampiofana natolotry ny fikambanana Madagascar alzheimer Masoandro Mody, tao amin’ny foibeny, nisitrahan’ny solontena […]