Nifarana omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy seniors, lahy sy vavy. Ho an’ny vehivavy, mbola voahosotra ho tompondaka indray tamin’ity taom-pilalaovana ity ny ekipan’ny My-Sah Itasy rehefa nandavo ny THBC Analamanga, tamin’ny isa 24 no ho 21. Raha […]
Auteur/autrice : Adnews
Vaovao tambatra
Ronono mandry 2 kaontenera efa lany daty no nihitsoka tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga noho ny tsy fandoavan’ny orinasa mpanafatra haban-tseranana. Tratra nandritra ny fidinana ifotony nataon’ireo tomponandraikitra samihafa izany. Taorian’izay, naverina nohidiana ireo kaontenera ary nasiana tombokase. Andraisana fepetra ka tsy maintsy ho potehina ireo ronono mandry lany daty ireo. […]
Fampidiran-jiro: mahatratra 13 000 ny fangatahana miandry
Maro ny fitarainana voaray fa nangataka fampidiran-jiro vaovao nefa tsy nahazo valiny. Manome fanazavana ny tomponandraikitra ao amin’ny Jirama fa tena marina io fitarainana io. Misy kosa ny fandaminana napetraka. Hatreto, tsy mandray ny fangatahana fampidiran-jiro vaovao ny Jirama, fa ifantohana aloha ireo fangatahana taloha. Manodidina ny 13 000 ny fangatahana […]
Secren: 10 miliara Ariary hanohanana ny fanarenana
Fanampiana ara-bola mivantana. Mitentina 10 miliara Ar ny famatsiam-bola omen’ny fitondram-panjakana ny Société d’études, de construction et de réparation navales (Secren) hanamafisana ny renivolany sy hanohanana ny fanarenana ny orinasa. Hetsika tafiditra ao anatin’ny ezaka hamahana ny olana mianjady amin’ity orinasa ao Antsiranana ity. Tonga teny an-toerana ihany koa ny […]
Tambajotra RIA: tsy ampy ny famatsiana herinaratra
Niakatra ny tanjaky ny herinaratra vokarin’Andekaleka taorian’ny nandatsahana orana artifisaly. Na izany aza, tsy mbola ampy ny filan’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Nandatsahana orana artifisialy, tany amin’ny manodidina an’Andekaleka, nanomboka ny alatsinainy teo ary nitohy hatramin’ny omaly. Araka ny fanazavana nomen’ny talen’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA), Rakotonandraina Solofonantenaina, omaly, tsy mbola ampy […]





