Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Zazakely vao teraka indray no nisy nanary teny an-dalana omaly, tany Ambohinaorina Ankady. Nape­trak’ireo tsy mataho-tody tao anaty gony, teo akaikin’ny Tamboho Gasy iray izy io. Mpivady sendra nandalo no nahita ilay gony sy naheno feon-jaza nitomany tao ka nanokatra ilay gony. Zaza vao teraka, mbola tsy niala ny tadim-poitra, […]

Raharaha Ravatomanga : Mitohy ny fisavana ataon’ny mpitandro filaminana

Mitohy hatrany ny fisavana ny orinasa ao anatin’ny vondrona Sodiat sy ny olona akaiky ny mpandraharaha Ravato­manga Mamy hatramin’izao. Nosa­vain’ny mpitandro filaminana ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo, ny tranon-dRava­tomanga Aina etsy Mandrosoa Ivato sy ny orinasa Polymad etsy Akoron­drano. Nanatan­teraka izany ny mpitandro filaminana izay nisaron-tava sy nirongo […]

Ambohidratrimo : Lehilahy nisy namono tamin’ny zava-maranitra

Lehilahy mpivarotra entana ilaina andavanandro hita faty tao Ambohidratrimo, omaly maraina. Feno ratra sy ra ny faritry ny lohany. Lehilahy iray hita faty tao amin’ny fokontany Am­bo­­hitsiroa atsinanana, kaominina Ambohi­dratrimo, omaly maraina. Nihosin-dra ny lohany ary ahina ho efa nisy namono ny alina izy, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. Tsikaritry ny […]

Toamasina : Tovolahy nanolan-jaza miisa efatra

Ankizivavy latsaky ny folo taona miisa efatra, niaran’ny fanolanana nataona tovolahy iray vao 18 taona tao Analaki­ninina, Toamasina. Notanana am-ponja ilay nahavanon-doza, ny alarobia lasa teo. Naiditra vonjimaika any am-ponja, miandry ny fotoam-pitsarana azy ny lehilahy iray voatondro ho nanolana zazavavy miisa efatra ny alarobia 10 desambra lasa teo. Zanaka […]

Baolina kitra – Can 2025: Ny Faraonan’i Egypte no nahazo ny amboara be indrindra

Hitodika any Maroc avokoa ny mason’ny mpitia baolina kitra afrikanina, afaka efatra andro. Hanomboka amin’ny alahady 21 desambra izao ny andiany faha-35 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2025). Raha ny antontanisa, mbola ny Fa­raonan’i Egypte hatrany no nandrombaka ny amboara be indrindra. Impito ny egyptianina no nahazo izany. […]