Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Tsy tokony ho fialokalofan’ny mpanao ratsy ny Andrimpanjakana, araka ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny FMI Malagasy, Ratsietison Jean Jacques. Anisan’izany ny Antenimierampirenena. « Tsikaritra fa ihazakazahan’ireo mpanao politika manana dosie maloto ny mirotsaka hofidina depiote. Tokony hanokafana fanadihadiana izy ireny », hoy izy. Hihazo any Frantsa ny ben’ny Tanànan’An­ta­na­na­rivo, Ramanantsoa Harilala. Hanamafy ny […]

Depiote Milavonjy Philobert : “Tsy voafaritra ho olon’ny antoko ny mpiasam-panjakana”

“Ny asam-panjakana ange tsy misy hoe rehefa miova ny fanjakana na ny fitondrana dia manafatra olona avy any an-danitra, angamba, hapetraka eo amin’ny fitondrana sy ha­nompo ny fanjakana”. Io ny fanehoan-kevitry ny lehiben’ny fanoherana sady filoha lefitra fahafito eny anivon’ny Anteni­mierampirenena, ny de­piote voafidy tany Ambovom­be An­droy tamin’ny anaran’ny Irmar, […]

Mbola miandry

  Mbola misangodinkodina be, tsy hita hoe ahoana marina ity raharaham-pirenena ity. Samy mandray izay tiany handraisany izay miseho ny olom-pirenena. Hatreto tokoa anie tsy hay hoe Tetezamita sa Repoblika?  Fanina mihitsy aloha raha tsy mbola mahay ny hodidina politika eto amin’ny tanàna. Mila maharaka tantara mihitsy mba tsy ho […]

Toromariky ny filoham-panjakana: Hatao amin’ny teny malagasy ireo taratasim-panjakana

Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, ny toromarika avy amin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Anisan’izany ny fitantanan-draharaham-panjakana. «Tokony hanaovana ezaka ny handikana amin’ny teny ma­lagasy ny taratasim-pifandraisan’ny fanjakana amin’ireo mila raharaha rehetra momba izany», hoy izy. Nampaha­fan­tatra koa ny eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika […]