Auteur/autrice : Adnews

Saran’ny internet : Nitondra vahaolana fohy ezaka ny fitondram-panjakana

Nametraka vahaolana mahakasika ny hampihenana ny saran’ny internet eto Madagasikara ny fitondram-panjakana, taorian’ny dinika niarahan’ny minisitera sy ireo mpandraharaha mivondrona ao anatin’ny GTM. Tapaka taorian’ny fifampidinihana sy tolotra nen­tin’ireo mpiandraikitra ny tambazotra fa misanda 3 000Ar ny fisitrahana internet 1,1Go, 5 000Ar ny 2,5Go ary 10 000Ar ny 5,5Go. Tanjona ny hanome fahafahana […]

TARATRY ny KANTO

Nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra ny fampitana am-bava avy amin’ny minisiteran’ny Sera­sera sy ny kolontsaina momba ny asa efa natao mahakasika ny fametrahana daty tokana hankalazana ny «Taom-baovao malagasy ». Manokatra lalana mankany amin’ny fametrahana ny fankalazana ny nentin-drazana ho andro tsy iasana nefa andraisan-karama ma­nerana an’i Madagasikara izany. Mbola maromaro […]

Orinasa Star : Vokatra vaovao ho an’ny fetin’ny faran’ny taona

Volonandro fety! Antomo­tra ny volana desambra, ha­na­marika ny Noely sy ny faran’ny taona. Miomana amin’izany sahady ny orinasa Star ka ha­moaka zava-pisotro ma­my, ny divay Valmont sy ny Ca­price Noël ary ny labiera THB Noël. Karazana divay mena, avy any Espaina, ahitana tahan’alikaola ny Valmont, arotsaky ny orinasa Star Amba­tolampy […]

Toamasina – « Metalscene Beasts » : Seho miaraka amin-dry Nocturnal sy Mania

Tontolon’ny mozika rock sy metaly. «Metalscene Beasts», fampisehoana hotanterahin’ny Nocturnal sy Mania, any Toamasina, ny alahady 30 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Ao amin’ny efitrano fanaovam-petin’ny sekoly Sacré Coeur, Tanambao no hanaovana izany. Nocturnal sy Mania, tarika roa anisan’ny manana traikefa matanjaka eo amin’ny fitondrana eny […]

Teatra, hira, dihy, saripika… Nodimandry i Mamy Rakotoarimalala

Anisan’ireo mpahay kanto marolafy i Mamy Rakotoarimalala. Nisongadina kokoa izy teo amin’ny tontolon’ny teatra sy ny dihy, hatrany ivelany izany. Nodimandry teo amin’ny faha-86 taonany ity mpanakanto ity. Andrarezin’ny kanto ma­la­gasy iray indray no lavo. Nodimandry, oma­ly, i Mamy Rakotoarimalala, mpanakanto nanan-talenta marolafy, ka nanamarika ny tontolon’ny zavakanto nandritra ny […]