Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Hisongadina indray i Madagasikara eo amin’ny fitsarana basikety maneran-tany. Voatendry hitsara ny fiadiana ny amboara maneran-tany,  ho an’ny sokajy latsaky ny 17 taona,  ny Malagasy mpitsara iraisam-pirenena,  i Yann Vezo Davidson. Fifaninanana izay hatao any Turquie,  ny 27 jona hatramin’ny 5 jolay izao. Nitsidika sy tonga nanolotra fisaorana ny Filohan’ny Fanavaozana […]

Taranja Parkour : Top 10 maneran-tany i Fitsikiana

Tsy nitsanga-menatra ny solontena malagasy  niatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany,  taranja Parkour,  natao tany Instabul, Turquie,  ny herinandro lasa teo. Tafiditra anatin’ny 10 voalohany mendrika indrindra, teo amin’ny Freestyle sy Speedrun, ny Malagasy vavitokana, i Fitsikiana,  nandritra ity fifaninanana ity. Tsy ambakan’izany ihany koa i Dinah, izay tafakatra hatramin’ny ampahavalon-dalana. Eo […]

Baolina kitra – «Mondial 2026» : Lalao 44 hivantana amin’ny fahitalavi-pirenena

Hifantoka any Etats-Unis sy Mexique ary Canada ny sain’ny maro, indrindra ny mpankafy baolina kitra, manomboka amin’ity alakamisy ity. Mandritra ny iray volana, hiaina ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2026», izao tontolo izao. Tsy ho tompon-trano mihono ny Malagasy fa hahita fihaonana mivantana miisa 44. Hiaina ao anatin’ny […]

Fivondronan’ny mpanao solonify : Misedra olana amin’ny fahazoana akora fototra

Misedra olana goavana eo amin’ny lalàna mifehy azy ireo ny mpanao solonify, raha ny fanambarana nataon’ny fikambanambe ivondronan’ireo mpa­­nao solonify eto Mada­gasikara (Asproma), omaly, tetsy Ivato. « Somary misy sakantsakana ho anay mpanao asa tanana misehatra amin’ny fanaovana solonify ny lalàna misy », hoy i Barijaona, mpitondra tenin’ny fikambanana. Anisan’izany ny fanakanana […]

Fandrobana tao Vohitsara : Olona iray voafonja herin­taona an-tranomaizina

Nivoaka ny talata lasa teo ny didy mahakasika ny raharaha fandrobana mpandraharahara tao Vohitsara, ny 3 mey 2026 lasa teo. Lehilahy miisa telo no voampanga tamin’izany. Voaheloka an-tranomaizina, sazy mihatra, Rami­lin­jaona Guillaume Lau­rent. Sazy mihantona ny an-dRazafindranjaona Tokiniaina ary nohafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana Rami­lison Kevin Bryan. Fanaovana fikambanan-jiolahy sy […]