Hatao any Morondava, faritra Menabe, ny 14 hatramin’ny 18 septambra 2026 ho avy izao, ny taombaovao iraisan’ny Malagasy na ny fankalazana nasionalin’ny Lohataona 2026. Fotoan-dehibe hampivondronana ny Malagasy mba hampiseho ny fihavanana, ny firaisankina ary ny firaisam-pirenena ny fankalazana, raha ny fanambarana nataon’ny komity mpikarakara tetsy Antaninarenina, omaly. Hiavaka ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Andron’ny haisoratra: anio ilay « Dia rodoben’ny vakiboky… »
Tafiditra ao anatin’ny « Andron’ny haisoratra ». Ho fanamarihana ny faha-74 taonan’ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem, anio no hanatanterahina ilay « Dia rodoben’ny vakiboky an-dalambe » andiany fahefatra (taona 2026). Manomboka amin’ny 9 ora maraina, eo anoloan’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, ny famakiana boky. Mizotra mankany amin’ny Garan’i Soarano. Mihodina mizotra mahitsy […]
« Marina mafy »: anolotra seho fampihomehezana i Joely
Hatrany ivelany no efa manana sy nahatafapetraka ny anarany i Joely, raha eo amin’ny tontolon’ny hatsikana sy ny fampihomehezana. Raha tao anaty tambajotra no anisan’ny nahafantarana azy. Ho avy ny seho sehatra « Marina mafy ». Hifanome fotoana, etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina, ny 13 septambra ho avy izao, i […]
Indray mijery
Notanterahina tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny Campus Barikadimy, ny fandraisana ara-teknika ny dingana voalohany amin’ny asa fanarenana ny efitrano fianarana lehibe « Demi-Tonneau » rava tanteraka tao aorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Nanohana ny asa ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ary nanatanteraka izany ny orinasa Proma. Roa volana ny fe-potoana nanatanterahana […]
Amoronakona: ho avy ny “navette”
Mampimenomenona ny olom-pirenena sasany amin’ny famindrana ny fitaterana eny Amoronakona ny halaviran’ny toerana raha miala any amin’ny toerana hiangana, Antananarivo sy ny manodidina. Nipaka any amin’ny fanjakana izany ka nitady vahaolana hanamorana ny fivezivezena mankeny an-toerana ny tomponandraikitra. Hisy ato ho ato ny “navette” manokana hitaterana olona makeny amin’ny toby […]





