Misitraka famatsian-jiro araka ny tokony ho izy ny mponina eny Vontovorona. Tanteraka izany satria nosoloina vaovao daholo ny tariby mitonda herinaratra ao an-tanàna. Efa antitra daholo ny tariby mitondra herinaratra eny amin’ny tanànan’i Vontovorona, kaominina Alakamisy Fenoarivo. Miantraika amin’ny famatsian-jiro isan-tokantrano izany, satria, midina sy miovaova ny tanjaky ny herinaratra, […]
Auteur/autrice : Adnews
Fantina sy fintina
Nahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fandinihan’ny Antenimierampirenena ny volavolan-dalàna momba ny heloka ana habaka, fa ny volavolan-dalàna lah. 039/2026 tamin’ny jolay 2026 momba fampiasana azo antoka sy milamina ary amim-pahalemana ny teknolojia nokleary eto Madagasikara indray no nodinihina teny Tsimbazaza, omaly, namaranana ny fivoriana tsy ara-potoana. Tonga nanao veloma ny […]
Fiaingana faobe
Raikitra ny fifaninanana masina politika. Tsy ivelan’ny Fanavaozana intsony no mihazakazaka fa ny ao anatiny mihitsy. Efa mazava rahateo ny zotra fa mankany amin’ ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka. Iaraha-mahita ny fihetsiketsehana eto an-dRenivohitra sy ny isam- paritra. Fampisehoan-kery amin’ny endriny samihafa izao: famoriam-bahoaka, fampisehoana, atrikasa misarika tanora. Ny filalaovana […]
Fihoaram-pefy amin’ny fifidianana: mitaky sazy hentitra sy mazava ny MMM
Nandray anjara tamin’ny fakan-kevitra momba ny fitantanana ny raharaham-pifidianana eto Madagasikara ny antoko MMM (Malagasy miara-miainga). Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny tsy faneken’ity antoko ity ny fihoaram-pefy amin’ny fifidianana, ka mitaky sazy hentitra ny MMM ho an’ izay manao izany. Ho azy ireo, zava-dehibe ny fisian’izao fifampidinihana izao. Efa ela ny […]
Fitsaram-bahoaka tao Ankazobe: mifanenjana ny mpitsara sy ny depiote Rajerison Antoine
Tranga miteraka disadisam-piarahamonina ao Ankazobe ny figadran’ny ben’ny Tanànan’i Marondry. Nampangaina ho nanamora ny fitsaram-bahoaka izy. Miaro azy ny depiote, mandetika ny fitsarana. “Tsy mbola nisy fanatonana na fanontaniana nataon’ny depiote fa tonga dia fanaratsiana sy fanimbana ny saim-bahaoka avy hatrany tany amin’ny tambajotran-tserasera no niseho”. Io ny fanazavan’ny mpisolo […]





