Auteur/autrice : Adnews

Baolina kitra: mpanazatra ny Barea U23 i Hery Be sy i Boualem Mankour

Miomana amin’ny fiatrehana ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Can 2027, sokajy U23, ny Barean’i Madagasikara. Efa voatendry ireo mpanazatra hisahana izany. Ho an’ny mpilalao eto an-toerana, i Hery Be ary ny an’ireo any ivelany kosa hataon’i Boualem Mankour. Voatendry ny alakamisy lasa teo Rabearisoa Herimanitra (Hery Be) sy i Boualem […]

Tselatra

Mpanao gazety sady talen’ny famoahana eo anivon’ny fahitalavitra iray no voadonan’ny fiara tetsy Ambohijatovo, omaly maraina. Raha ny fanazavana voaray, niala fiara fitateram-bahoaka ny tenany, voafaokan’ny fiara hafa vantany vao niala. Vokany, naratra noho ny dona mafy nahazo azy ny tenany. Nentina notsaboina haingana any amin’ny hopitaly izy taorian’izay. Zazalahikely […]

40 lahy nanafika tanàna: dahalo telo lavon’ny bala

Nanapoaka basy, naorin’ny dahalo ny omby 70 tao amin’ ny tanàna Ampasimpotsy Ambatolahihazo, kaominina Maro­harona, distrika Tsiroanomandidy, ny alin’ny alakamisy 3 septambra. Nirongo fitaovam-piadiana ny dahalo manodidina ny 40 lahy. Raiki-tahotra ny ankamaroan’ny zaza amam-behivavy tao an-tanàna. Nanara-dia nanampy ny mpitandro filaminana ny vatan-dehilahy. Nanao paikady manokana hanakanana ireo dahalo […]

Olona iray votsotra teo an-tanan’ny mpaka an-keriny 3 tapitrisa Ar voaroba, jiolahy roa voatifitra

Votsotra teo am-pelantanan’ny olon-dratsy mpaka an-keriny, tany Antsahakely, kaominina ambanivohitra Soa­vina, distrikan’­Ambato­finan­drahana, faritra Amoron’i Mania, omaly maraina, ny olona iray. Avotra soaman­tsara nandritra ny fanaterana ny vola takalonaina io lasi­batra io. Ankoatra izay, maty voatifitry ny zandary, nandritra ny fifanjevoana ny roa lahy, olon-dratsy anisan’ny nanao ny fakana an-keriny. Mbola […]

Fonjan’Ambalatavoahangy: gadra telo lahy nandositra, maty voatifitra ny iray

Nandositra ny fonjan’Ambalatavoahangy, Toamasina, omaly, ny gadra telo. Natao ny fanenjehan’ny mpitandro filaminana sy ny avy amin’ny tomponandraikitry ny fonja. Azo sambo-belona ny iray ary maty voatifitra ny iray. Mbola karohina ny fanintelony. Maty voatifitra ny iray raha toa ka azo sambo-belona ny iray hafa tamin’ireo gadra telo nandositra tao […]