Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao omaly, afaka handray lalao amin’izay ny Kianjan’ny Camp Nou, ao Espagne. Ny asabotsy ho avy izao, ao ny ekipan’ny FC Barcelone no hampiantrano an-dry zareo Athletic Bilbao. Lalao tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompon­dakan’i Espagne, « La Liga ». Tsiahivina fa mitana ny laha­rana faharoa ny FC Barcelone […]

“Orange kilonga M’kanety” : Lasan’ny ekipan’i Betafo ny amboara

Tontosa ny alakamisy 30 oktobra hatramin’ny sabotsy 1 novambra lasa teo, tany Antsi­rabe, ny andiany faha­dimy amin’ny “Orange kilonga M’kanety”, taranja tsipy kane­tibe. Fifaninanana ho an’ny sokajy 17 taona no ho midina (U17), zazalahy, nokarakarain’ ny Orange Madagascar sy ny Place de la pétanque Ampefi­loha. Nandrombaka ny am­boara i Brayan […]

Baolina kitra : Hitsapa fahaizana ao Nantes France i Bono

Misandratra hatrany ny Malagasy mpilalao. Araka ny fikarohana natao omaly, fantatra izao fa hanao fitsapana ao amin’ ny klioban’ny Fc Nantes diviziona voalohany ao France, i Bono, mpilalaon’ny Disciples FC Vakinankaratra. Raha ny vaovao navoakan’ny Disciples Fc tao amin’ny pejiny, efa tonga ao amin’ny ivotoeram-piofanan’ny FC Nantes i Bono. Hanao […]

“Trophée Magnitry Danse 5”: Norombahin’i Nahary sy i Ezra ny fandresena

Notontosaina ny 8 hatramin’ny 16 novambra lasa teo ny fifaninanana niadiana ny “Trophée Magnitry Danse 5”, taranja dihy ara-panatanjahantena, natao tany Diego. Norombahin’i Nahary sy i Ezra ny fandresena. Ny mpandray anjara avy any Antsirabe, nahitana an’i Nahary sy i Ezra, no nandrombaka ny fandre­sena tamin’ity indray mitoraka ity. Laharana […]

Boky: Hivoaka eto an-toerana ny «Valihan’Ikaky»

Ny fangatahan’ireo Malagasy monina any ivelany te hahay ny kolontsainy no anisan’ny nahatonga ny famoahana ny boky « Valihan’Ikaky » voalohany tany ampitan-dranomasina. Ny hetahetan-dry zareo no novaliana mialoha noho ny tsy fisiana na tsy fahampian’ny mpampianatra zavakanto sy kolontsaina any ivelany, raha ny fanazavan’ny mpanoratra. Fantatra, omaly, fa hivoaka eto an-toerana […]