Auteur/autrice : Adnews

Olan’ny baolina kitra : «Tsy hanongana ny FMF fa mitaky fanadiovana», hoy i Faneva Ima

Fanadiovana sy fanatsarana ary fametrahana ny toerany ny baolina kitra amin’ny maha fifaninanana ara-dalàna azy no ilaina apetraka eto Madagasikara. Io no antsoantson’ireo mpankafy baolina kitra tonga tetsy Mahamasina, ny faran’ny herinandro lasa teo. Atsaharo ny tsindry hazo lena sy ny fanaovana ramatahora, hoy izy ireo. Tonga namaly ny antson’ireo […]

Operation Smile : Nanome 26 750 euros ny orinasa DHL

Manana andraikitra eo amin’ny fiarahamonina (RSE) ny Vondrona orinasa DHL Group, misehatra amin’ny fitaterana taratasy, antontan-taratasy, entana maneran-tany. Nanolotra vola mitentina 26 750 euros ity orinasa ity, ho an’ny fikambanana Operation Smile, ny alakamisy 30 oktobra teo. Entina hikarakarana ny ankizy misy tsy fahatomombanana amin’ny vava, na ny lanilany ary […]

Solika : Nihena ny vidin’ny gazoala sy ny solika fandrehitra

Nidina ny vidin-tsolika eto Madagasikara mandritra ny volana novambra, nijanona tamin’ny vidin’ny teo aloha kosa ny litatry ny lasantsy. Nahitam-piovana indray ny vidin-tsolika ho an’ny volana novambra. Voa­tazona tamin’ny vidiny tamin’ny volana oktobra ny vidin’ny lasantsy eny amin’ny toby famatsiana mandritra ity volana ity. Nihena kosa ny vidin’ny gazoala sy […]

INDRAY MIJERY

Handraisana fepetra na iza na iza ireo minia manototra tany, hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany, jeneraly Lylison. Tsy hisy intsony ny fanotofana tany manomboka izao. Nitsidihina ny “station de pompage” an’ny Apipa teny Ambodimita ihany koa izy ka hita nandritra izany fa ny roa amin’ireo […]