Auteur/autrice : Adnews

Toamasina : Harenina haingana ny fefiloha Farafaty

Tsy niandry ela ny fanjakana fa avy hatrany dia nijery ny olan’ny rano tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Tapaka ny fefiloha Farafaty ny alakamisy alina, ka niteraka fahatapahan-drano tao Toa­masina. Nidina avy hatrany nitondra vahaolana vonjimaika ny ekipan’ny minisiteran’ny Rano sy fahadiovana ary fidiovana izay notarihin’ny minisitra niaraka tamin’ireo […]

Oniversiten’Antananarivo : Nandraisana fepetra ireo fotodrafitrasa tsy ara-dalàna

Noravaina ireo fotodrafitrasa miorina tsy ara-dalàna eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Mitohy ny fanadiovana ary tsy tokony hanavahana. Nidina avy hatrany nandray ny andraikitra manoloana ny fanorenana fotodrafitrasa tsy ara-dalàna eny amin’ny oniver­siten’Antananarivo ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Niarahana tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny fanatanterahana izany. […]

TARATRY ny KANTO

Niverina ny Sehatra BaGasy. Noho ny tranga nisy teto amin’ny firenena. Nisy fiatoana tao anatin’ny volana vitsy ireo hetsika fanaon’ny Sehatra BaGasy. Ny sabotsy 1 novambra teo no niverina izany ka ny « Atrikefa malalaka » no nisantarana ny volana novambra, tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola. Fifampizarana sy fifanakalozana traikefa […]

Satria tsy nandray andraikitra ? Samy dodona amin’ny famerenan-kasina

Mipoitra ny atsy. Mihetsika ny aroa. Samy te haneho fa ilaina haverin-kasina ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao ary ny soatoavina Malagasy. Fotoana fanatanterahina izany izao. Hafa mihitsy ny Ma­la­gasy ! Kolon­tsai­na, zavakanto, soatoavina, toerana mirakitra tantara, fomba amam-panao… Maro tamin’ireny no notaina fady tao anatin’ny vanim-po­toa­nan’ny fanjanahan-tany amin’ny endriny vaovao. […]