Nivoaka tamin’ny gazetim-panjakana, omaly hariva, fa nesorina tamin’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, ny zom-pirenena malagasy nananany. Ankoatra izay, nolavin’ny HCC ny fitoriany momba ny fomba nanonganana azy teo amin’ny toerany. Nambaran’ny etsy Ambohidahy, afakomaly, fa tsy mitombina intsony ny fitoriana. « Efa nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny HCC nanala azy teo […]
Auteur/autrice : Adnews
HCC, Irmar, Ravalomanana…: Nanadihady ireo ankolafin-kery rehetra ny Sadc
Anisan’ireo nihaona tamin’ireo delegasionin’ny Sadc mandalo eto amintsika ny eo anivon’ny HCC. Nivoitra tamin’ny fihaonana, tetsy Ambohidahy, ny resaka manodidina ny Lalàmpanorenana. « Vahaolana namahana ny krizy teto amin’ny firenena ny HCC. Tafiditra ao anatin’ny Lalàmpanorenana avokoa ary voahaja ireo fanapahan-kevitra rehetra noraisina », hoy ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, Rakotoarisoa Florent, namintina […]
Mihisatra am-pahamalinana
Vao herinandro dia efa miakatra amin’ny fitarozahana sy fiverenan-dalana ireto nahazo fahefana. Manomboka ny menomenona amin’ny fahatapahan-jiro. Miakatrakatra ny feo amin’ireo sokajim-pikambanana mampivondrona tanora, izay manao valala an-karona. Tsy lazaina intsony ny famadihana ny lokaloka nataon’ny sasany vantany vao nahomby ny tolona. Fomban’ny tontolo filalaovana politika eto amin’ny tanàna […]
Kly Randrianirina Michael : “Tsy hihoatra ny alahady ny governemanta”
Andrasana fatratra… Rahoviana ny governemanta vaovao? Nilaza ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Michael, fa tsy hihoatra ny rahampitso alahady izany. “Efa miasa ao anatiny izao, raha ny fanirianay: tsy tokony hihoatra ny alahady… Ankinina amin’ny ao ambony hatrany rehefa manao zavatra.” Io no nambaran’ny […]
TSELATRA
Mpandeha iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahafolo (RN10), kaominina Sakamasay, omaly. Efatra naratra. Nivadika ny kamiao nitondra azy ireo ka nitarika ny loza. Fiara roa nifandona teo Analakely vokatry ny tsy fanajan’ny mpamily ny lalàn’ny fifamoivoizana, afakomaly. Nidona ny lohan’ny fiara roa tonta rehefa nisisika […]




