Tonga teo anoloan’ny biraon’ny fokontany Amboditsiry ny andian’olona vitsivitsy, ny marain’ny talata 14 oktobra 2025 teo. Notakin’izy ireo ny hialan’ny sefo fokontany. Ny tolakandron’iny ihany, fantatra fa nametra-pialana ramatoa Sefo fokontany. Tsy mazava hatreto ny tena antony nialany. Fa misy kosa ny loharanom-baovao milaza fa nisy tokantrano vitsivitsy nahitana entana […]
Auteur/autrice : Adnews
Minisiteran’ny Mponina: Mijoro mitaky fanovana ny sendika
Niray feo ny mpiasan’ny minisiteran’ny Mponina mivondrona ao anatin’ny sendika, omaly, fa mitaky fanovan-drafitra ihany koa ho fanarenana ny tontolon’ny asa ao amin’ny minisitera. Mijoro miady amin’ny fanavakavahana sy ny fampizarazarana ny mpiasa ny sendika. Mikendry ny fametrahana ny Corp ho an’ny mpiasa ihany koa. Mikatsaka ny tombontsoan’ny mponina, indrindra […]
INDRAY MIJERY
Misy rivodoza mananontanona ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Andalam-piforonana izany ary manome vahana ny fitombony ny hafanan’ny ranomasina. Tsy mbola misy fiantraikany amin’i Madagasikara ny faritra andro ratsy. Hitondra ny anarana Anais ity rivodoza ity rehefa mahafeno ny fepetra rehetra. Manohana ara-tsaina ireo mpamonjy voina ny Croix Rouge Malagasy. Fifanakalozan-kevitra an-kalalahana […]
Taorian’ny korontana : Niverina amin’ny fiainana andavanandro ny rehetra
Vao maraina, nitohana ny fifamoivoizana teto an-dRenivohitra fa namonjy ny asa aman-draharaha ny mponina, toy izany koa ny mpianatra. Nisokatra avokoa ny toeram-pivarotana samihafa teny afovoan-tanàna sy ny manodidina. Niverina amin’ny fiainana andavanandro indray ny vahoaka taorian’ny toromariky ny filoham-panjakana fa tokony hiasa sy hianatra amin’izay ny rehetra. Ho an’ny […]
Famahana ny krizy: Hihaona ny FFKM sy ny Capsat
Mandeha miandalana ny fakan-kevitra « Ady gasy ». Ao anatin’ny fikaroham-bahaolana ny eo anivon’ny FFKM. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa hiverina hihaona amin’ireo miaramila, mitantana ny firenena ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy. Efa nisy ny fihaonana teo aloha, teo amin’ ny andaniny sy ny ankilany, ary izao hifampiresaka izao indray. Anisan’ny efa noraisin’ny FFKM […]




