Auteur/autrice : Adnews

Mila jadona

  Sambany ! Dimy mirahalahy be izao ny filoham-panjakana malagasy manomboka, omaly. Tafapetraka ny Komitim-pirenena miaramila sy sivily hoentina manarina an’i Madagasikara. Raha ny isa nambara ao anatin’ilay rafitra aloha dia mahavelombolo satria dia taratry ny fitsitsiana tokoa. Tsy hirobaroba ny mpitondra, hanao izay hanodinana ny raharaha. Ny zava-dehibe aloha, dia […]

Notendren’ny HCC : Filoham-panjakana ny Kly Randrianirina Michael

Hisahana ny asan’ny filoham-panjakana, manomboka eto ny Kly Randrianirina Michael. Namoaka fanapahan-kevitra fankatoavana izany ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), omaly, manoloana ny raharaham-pirenena. Niainga avy amin’ny fangataham-panazavana nataon’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, omaly, ny amin’ny fahabangan-toeran’ny filohan’ny Re­poblika izany. Eo koa ny tsy fisian’ny […]

Fifanintsanana Mondial 2026: Andrasana anio ny fanapahan-kevitry ny Caf

Manify tanteraka ny fanantenana, raha tsy misy ny fiovana farany. Andrasana anio ny vaovao ofisialy avoakan’ny Caf mahakasika ilay tranga milaza fa mety hihena ny isan’ ny Barean’i Madagasikara sy ireo firenena hafa, manana vondrona enina, amin’ity fifanintsanana Mondial 2026 ity. Tsy ambony intsony moa ny herijika ho an’ny ekipa […]

SOMBIM-BAOVAO

Ilay mpilalao basikety fahiny tao amin’ny ekipa frantsay, i Isabelle Yacoubou, no ambasadaoron’ny fiofanana “Fiba Africa Regional Youth Camp 2025”, sokajy vehivavy, tontosaina any Le Caire, Egypte. Fiofanana nanomboka ny 12 oktobra teo ary hifarana ny 15 oktobra izao. Any an-toerana ny Malagasy mpilalao Andrian­tsiavonan­tsoa Onisoa Fanasina avy amin’ny klioban’ny […]

Volley-ball malagasy : Hampitombo traikefa amin’ny fiofanana

Hisy ny fampiofanana natokana ho an’ny Malagasy mise­hatra amin’ny taranja volley-ball, ny 18 hatramin’ny 21 no­vambra izao. Fampiofanana ho mpanazatra izay eo ambany fiahian’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny volley-ball sy ny Federasionina malagasy ary ny ligy Matsiatra Ambony no hotanterahina any Fianarantsoa. Tanjona ny hampandroso io taranja io ao amin’ny faritra Matsiatra […]