Hiditra an-tsehatra, hiady ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny rugby lalaovin’olona 7 (Can 2025) indray ny Makis Ladies. Misedra olana anefa izy ireo satria tsy mbola voaloa ny saran’ny fandraisana anjara, mitentina 7500 euros. Ankoatra izay, nidera ny fandrosoan’ny rugby sokajy vehivavy eto amintsika ny World Rugby. Hotanterahina any Kenya, […]
Auteur/autrice : Adnews
FMMM : Manameloka ny jadona sy ny herisetra
Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, mijoro ny firaisan’ny mpandinika miozolomanina eto Madagasikara (FMMM) ka namoaka fanambarana. Voalazan’izy ireo fa rehefa ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny ary ny tsindrihazolena no mahazo vahana eo amin’ny fiarahamonina na firenena dia tsy maintsy miafara amin’ny korontana izany. Lalàna voajanahary tsy azo ihodivirana izany, […]
Tsy fanomezana fahazoan-dalana : Niala tsiny sy nifona ampahibemaso ny prefet Antananarivo
“Mitondra ny fialantsiny sy ny fifonana ampahibemaso raha toa ka misy ny fanapahan-kevitra noraisina ka tsy mifanaraka tamin’ny eritreritry ny besinimaro”. Io ny nambaran’ny prefet Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, omaly, ny amin’ny tsy nanomezany fahazoan-dalana hanao hetsika teny Ambahijatovo, tamin’ny 25 septambra, […]
Vokatry ny krizy ankehitriny : Zara raha mahalafo ireo mpivarotra ranona voanio
Anisan’ny ankafizin’ny Malagasy ny ranona voanio na Coco. Tsy dia mahalafo izy ireo nandritra ny tolona teo aloha, noho ny savorovoro nisy teny amin’iny faritr’i Mahamasina iny. Maro ireo olona tazana eto an-dRenivohitra misehatra amin’ny asa fivarotana rano fisotro voanio na Coco, amin’izao fotoana izao. Araka ny fanadihadiana natao, somary […]
TARATRY ny KANTO
Hotontosaina ao amin’ny AFT Andavamamba, ny sabotsy 18 oktobra izao, ny fifaninanana slam « Nofy maitso », andiany fahefatra. Natao ho an’ ireo mpanao slam mihoatra ny 18 taona izy ity, ary tokony hanomanana sanganasa roa ireo mpifaninana. Manodidina ny lohahevitra tontolo iainana hatrany no hifaninanana amin’izany. Ny roa voalohany amin’ireo mpifaninana […]




