Auteur/autrice : Adnews

Antoko MFM: “Hampisy fitoniana ny dinika politika”

“Hametraka ny fitoniana politika ny dinika politika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Hafa ny fakan-kevitra politika. Hodini­hina amin’ny dinika politika kosa ny fitantanana fifidianana, fitantanana andrimpanjakana, fifitantanana politika. Ny fametrahana etika politika no hamerenana ny fifampitokisan’ny mpanao politika sy ny vahoaka, […]

Fiarovana olona ambony: manamboninahitra 13 niofana niaraka tamin’ny Rosianina

Notanterahina omaly, teny Mahazoarivo, ny famoahana ireo nahavita fiofanana manokana momba ny fiarovana olo-manankaja ambony. Manamboninahitra 13 no nandray anjara tamin’izany. Tafiditra tao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-miaramila eo amin’i Madagasikara sy ny Federasionin’i Rosia izao fampiofanana izao. Nandritra ny roa volana no niatrika izany ireo manamboninahitra 13, notarihin’ny manam-pahaizana rosianina. […]

Tselatra

Nalain’ny havany teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny razan’ireo tovolahy namono nahafaty an’i Haingotiana sy Stéphanie, rehefa avy nozahana teny an-toerana. Nahitana an’i Larry (20 taona, avy etsy Ambodin’Isotry), Aldo (18 taona, Ambo­hitrimanjaka), Sitraka (23 taona, Itaosy) ary Fanome­zantsoa (17 taona, 67 Ha) izy ireo. Nilaina ny fisian’ny fianakavian’izy ireo, […]

Jeneraly RAVALOMANANA RICHARD: nomelohina 10 taona asa an-terivozona

Migadra 10 taona, asa an-terivozona, ny Jly Ravalomanana Richard, araka ny didim-pitsarana nivoaka omaly. Tsy afa-po ny voampanga, nampiakatra fitsarana ambony ny mpisolovava azy. Baomba be! Voasazy hiasa an-terivozona an-tranomaizina mandritra ny 10 taona ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, ny Jly Ravalomanana Richard. Niakatra teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, […]